♦ Nohenoin'ny fitsarana momba ilay raharaha Apollo 21 androany, ilay mpanakanto Sareraka sy ireo Zandary dimy ao anatin'ny GSIS, samy voarohirohy amin'ity raharaha ity... ♦ Tsy nahitana 'doublons" ny antotan-kevitra tao amin'ny CENI, hoy ny filoha vaovaon'ity Vaomieram-pirenena ity androany... ♦ Vita, ary notokanana ny tapany voalohany amin'ny fanitarana ny seranan-tsambon'i Toamasina. Hampidina ny vidin'ny entana ilain'ny Malagasy ny fahavitan'io fotodrafitr'asa io, hoy ny Filoham-pirenena...
Efa maro ny lohahevitra noresahina mahakasika ny fanehoam-pitiavana. Ny vatana mifanakaiky dia isan'ny fanehoam-pitiavana hafa koa, izay mamoaka onjan'ny firaisan-tsaina sy onjan'ny fifampitokisana. Ity fomba fanehoana fitiavana ity dia azon'ny rehetra atao na eo amin'ny mpivady na eo amin'ny mpianaka. Fandaharana "mba ho vanona", iarahana amin'i Jeneraly Désiré Philippe Ramakavelo.
Ny fiovaon'ny toetr'andro dia miteraka fahavoazana maro, na ho an'ny mponina an-drenivohitra na ny eny ambanivohitra. Ny fiovan'ny toetr'andro dia efa nampoizina ary efa nanomanana ny tsirairay. Porofo ny fiovana ny fiakaran'ny marimpana, ny tsy fitovian'ny faharetan'ny fizaran-taona sy tsy firindràny. Manakorotana ny asa fivelomana sy ny fahasalamana izao fiovana izao. Mirongatra ho azy ny fifindra-monina noho ny fiovan'ny toetr'andro...
Natoky tanteraka ny herin'ny fanavotan'Andriamanitra i Md Josefa. Modelin'ny fankatoavana ny finoana sy ny fitiavana ho antsika ao amin'ny Eglizy izy, tamin'ny "eny" nankatoavany ny sitrapon'andriamanitra araka izay nampitain'ny anjely taminy.
• Mibanjina, mitandrina ary mahafoy: izay no hafatra napetrak'i Mompera Rakotondranaivo José Gaston, Provinsialin'ny Fikambanana Salezian'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice, nandritra ny voady voalohany nataon'ireo frera miisa 13 mirahalahy avy eo anivon'ity fikambanana ity... • Notanterahana tao anatin'ny efatra andro ary nifarana omaly, ny “Festival de la diaconie de la beauté” sy ny “Foire du Diocèse vert”, tany amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco