♦ Mitaky ny mangarahara amin'ny tomba hatao amin'ireo mpikamban'ny Governemanta ny Kmf/Cnoe... ♦ Naneho ny fahasorenany ny SECES Sampana Antananarivo, manoloana ny nandavan'ny HCC ilay tolo-dalana momba ny fizakan-tenan'ny Oniversite sy ny foibem-pikarohana nasiônaly... ♦ Hatao fitsirihana sy fanadihadiana ny rano manodidina ny toeram-pitrandrahana fasimainty ataon'ny orinasa QMM any Taolagnaro...
Aoka mba hiainantsika tokoa izany fahavanonana izany, ary hitondra am-bavaka mba hiverenan'ny fandriam-pahalemana, indindra isika Malagasy aty amin'ny ranomasimbe Indiana, ranomasin'ny fandriam-pahalemana. Fandaharana "mba ho vanona", iarahana amin'i Jeneraly Désiré Philippe Ramakavelo.
Anisan’ny ezaka lehibe iray izay ilofosantsika ny vavaka mandritra izao karemy izao. I Jesoa zokintsika mihitsy aza no mampirisika antsika hivavaka ary hanana faharetana sy fitokisana tanteraka fa hivaly ny vavaka ataontsika. Ezaka tsy maintsy atao ny hananana toe-po vonona hiasa sy mandray andraikitra. Fandinihina masina iarahana amin'i P. Aimé Olivier Mahatsangandrainy,Sdb
Tohizantsika hatrany izao fandinihana sy fibanjinana masina ataotsika izao ka androany indray isika dia hifampizara ny hoe: “toe-po sy toe-panahin’ny olona mivavaka”. Fandinihina masina iarahana amin'i P. Aimé Olivier Mahatsangindrainy, Sdb
• Notanterahana ny 21 sy 22 jona 2025 ny hetsika entina hanohanana ny Seminera Zandriny, tao amin'ny Diosezin'Antsirabe, sady nankalazana ny fetin'ny Sakramenta Masina... • Katesista miisa 11 no nahavita fiofanana nandritra ny folo volana ka navoaka tamin'ny fomba ofisialy ny 24 jona 2025, tao amin'ny Diosezin'i Farafangana... • Nataon'Andriamanitra ho vatofehizoro ny vato nolavina, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly alahady, nankalazana ny fetin'i Masindahy Piera sy i Paoly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco