♦ Nohamasinina ho eveka tamin'ny 1 nôvambra 2022, ny Nonce Apostolique vaovao, hiasa eto Madagasikara, hisolo tena ny Ray Masina François... ♦ Nifarana ny alarobia 2 nôvambra 2022 ny fiofanana iraisam-pirenena ho an'ny tanora, mifantoka amin'ny fanabeazana ho amin'ny fiadanana, izay notanterahan'ny avy ao amin'ny Fanilon'i Madagasikara... ♦ Nanao antso avo ny hijerena manokana ny zo hiaina sy ny fandriam-pahalemana ny Papa François, nandritra ny lahateny voalohany nataony tao Bahreïn...
Tokony mahay mifampikarakara, mahay mifanampy amin'ny zavatra, ilàna fifanampiana, ny rehetra na ireo mandrafitra ny fianakaviana na ny mpivady na ny fiaraha-monina. Raha ireo fepetra ireo no tanteraka dia hisy ny filaminana sy ny fahadiovana, izay misy fiatraikany amin'ny toe-tsaina sy ny toe-po. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'i Jeneraly Desiré Ramakavelo.
Manatanteraka fiofanana iraisam-pirenena ao amin'ny Ivo-toeran'ny Soeurs de la Sagesse ao Benasandratra ny Fanilon'i Madagasikara nanomboka ny 29 oktobra 2022. Miisa 22 ireo mpandray anjara ka malagasy ny 19 amin'izy ireo. "Samaritanina tsara fanahy : manao soa ho an'ny tena, ho an'ny hafa, ary amin'ny natiora", io no lohahevitra nofidian'ireo mpampiofana roa avy amin'ny CICG-Europe (Conférence Internationale Catholique du Guidisme) sy ny aomonie maneran-tany.
♦ Nifarana ny 28 ôktôbra teo ny Visite ad limina, izay notanterahan'ireo Evekan'i Madagasikara tany Rôma... ♦ Hamasinina ho Eveka rahampitso, ny Nonce Apostolique vaovao izay voatendry hiasa eto Madagasikara, ka any Poznań, any Pologne no hanatanterahana izany... ♦ Efa manomboka ny fisoratana anarana, ho an'ireo izay hiatrika ny JMJ any Lisbone, amin'ny taona 2023...
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco