Aoka hiainantsika isan'andro ny teny famporisihana mba hahatonga antsika ho tompon'andraikitra ary ho tonga biriky handrafetana ny trano mampivoatra sy mampandroso ary mampivelatra. Fandraharana "Mba ho vanona" iarahana amin'i Jeneraly Désiré Philippe Ramakavelo.
Mba hazoana antoka fa mizotra araka ny tokony ho izy ny fianaran'ny ankizy na ny zanaka dia tokony halala ny fandaharam-potoanany ny ray aman-dreny. Ilaina ny fanakaikaizana ny zanaka amin'ny alalan'ny resaka ka hatomboka amin'izay tranga nahafinaritra azy. Hadihadiana tsara ny zanaka ny amin'izay mety ho namany, sao misy zavatra fanararaotra na tokony hohatsaraina. Beazina hanana fahatokisantena ny zaza...
♦ Nodinihina teny amin'ny Lapam-panjakana Mahazoarivo ny vahaolana momba ny firongatry ny tsy fandriam-pahalemana amin'ny faritra maro eto amin'ny Nosy. Noresahana ihany koa ny momba ny lozam-pifamoivoizana nitranga tato ho ato... ♦ Hidina ifotony eny an-tsena ny kaomiseran'ny varotra sy ny mpanara-maso ny varotra, hanara-maso ny fampiharana ny lalana mifehy ny varotra, ary ny loharanon'ny entana misondro-bidy. Natomboka androany tamin'ny tsena lehibe maro teto an-drenivohitra izany fidinana ifotony izany...
Nofidian'Andriamanitra manokana ny vehivavy hitondra famonjena an'izao tontolo izao. Eo amin'ny Jody, tsy dia nomena anjara loatra ny vehivavy. Ny an'i Masina Maria, iraka goavana, toy nataon'i Abrahama. Maria nanolotra ny zanany ho an'izao tontolo izao. Manana anjara toerana ao amin'ny fiangonana hitory ny Vaovao Mahavaly ny vehivavy. Katesizy momba ny fahaizana mihaino ny antso, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien
• Nankahery ny vahoaka maneran-tany, hampanjaka ny fiadanana sy ny fandriam-pahalemana, ny Papa Léon XIV, tamin'ny fisehoany voalohany teo amin'ny Bazilikan'i Masindahy Piera ny 8 mey 2025 tamin'ny 7 ora sy 25 minitra, ora tany Roma... • Manentana ny olon-dehibe rehetra manerana an'i Madagasikara ny avy eo anivon'ny Vovonam-pirenena Katolikan'ny Lehibe, mba tsy hiandry farany vao hisoratra anarana, ho an'izay hiatrika ny JNA any Morondava... • Fenofeno ny fandaharam-potoanan'ny Papa Léon XIV, manomboka androany zoma 9 mey hatramin'ny sabotsy 24 mey 2025...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco