31 desambra 2023 — Ny Fianakaviana Masina — Fety — Eny, Andriamanitra miafina Ianao, Andriamanitra ety aminay olombelona, ry Jesoa Mpamonjy — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 2, 22-40)
Ny fisotroana toaka tsy voalanjalanja dia mahatonga tsy fahatsiarovan-tena maharitra, io tranga io anefa mety ho antony hafaty olona iray raha tsy voasoroka. Tsy ny toaka ihany anefa fa izay zava-pisotro rehetra misy "alcool". Tsy miankina amin'ny fatran'ny taoka nosotroina ny mahatonga ny tsy fahatsiarovan-tena fa araka ny toe-batana. 30 hatramin'ny 45 minitra aorian'ny nisotroana dia tonga ao amin'ny aty ny toaka, ka mampiasa mafy ny aty sy ny sarak'aty, eo no voakitika ny famokarana "insuline" ilay manodina ny siramamy ao amin'ny vatana, isan'ny famokarana saropady indrindra ka mahatonga ilay tsy fahatsiarovan-tena...
♦ Nitondra teny firariantsoa hoan’ny Noely sy ny taona vaovao 2024, i Mompera Innocent Bizimana, lehiben’ny fikambanana Salezianina Don Bosco eto Madagasikara sy Nosy Maorisy... ♦ Ny saina voatr’olombelona (Intelligence artificielle) sy ny fiadanana, io no votoatin’ny hafatry ny Papa François amin’ny fankalazana ny andro faha-57 maneran-tany hoan’ny fiadanana... ♦ Tokony hiambina sy hiaro ny fo amam-panahy tsy hirona makany amin’ny faharatsiana isika, hoy ny Papa François, tamin’ny Audience Générale, ny alarobia lasa teo... ♦ Mbola maro ny fandripahana ireo tsy manan-tsiny misy eto amin’izao tontolo izao, hoy ny Papa François...
Nifarana androany ny fandaharana Hirika tamin'ity taona 2023 ity. Fandaharana nanaovana jery todika ny vaovao nisongadina momba ny tontolo ambanivohitra. Ny zava-nitranga momba ny tontolo ambanivohitra ny volana janoary hatramin'ny volana jona 2023 lasa teo no hanaovana tamberina...
• Nankahery ny vahoaka maneran-tany, hampanjaka ny fiadanana sy ny fandriam-pahalemana, ny Papa Léon XIV, tamin'ny fisehoany voalohany teo amin'ny Bazilikan'i Masindahy Piera ny 8 mey 2025 tamin'ny 7 ora sy 25 minitra, ora tany Roma... • Manentana ny olon-dehibe rehetra manerana an'i Madagasikara ny avy eo anivon'ny Vovonam-pirenena Katolikan'ny Lehibe, mba tsy hiandry farany vao hisoratra anarana, ho an'izay hiatrika ny JNA any Morondava... • Fenofeno ny fandaharam-potoanan'ny Papa Léon XIV, manomboka androany zoma 9 mey hatramin'ny sabotsy 24 mey 2025...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco