Mbola mahatazona ny vokatra tsara kalitao, haitao nolovaina avy amin'ireo ray aman-dreny tany aloha, amin'ny asa tanana vita amin'ny landy ny kaoperativa "Landy Avotra" ao Kelifaritra, Kaominina Ambanivohitra Ambohitrabiby, Distrikan'Antananarivo-Avaradrano.
Ny ranomasina da famantarana ny ratsy, anefa tamin'io tontolo io ny mpianatr'i Jesoa no nantsoiny ho mpanarato olona. Ny asan'ny mpanarato dia asa mila finiavana satria manasatra ary mitaky faharetana ihany koa, izany hoe ilàna herin-tsaina sy herim-po. Ny hevitry ny manarato eto dia manala ny olombelona eo amin'ny haizin'izao tontolo izao ho any amin'ny fahazavana lehibe. Katesizy momba ny asa, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
♦ Hamoaka ireo gadra pôlitika rehetra any am-ponja ny Rodoben'ny Mpanohitra, raha mahazo fitondrana aorian'ny fifidianana... ♦ Hanome tohana ara-bola mitentina 9 hetsy Dôlara, mba hisian'ny fifidianana madio, mangarahara ary eken'ny rehetra amin'ity taona ity, ny Governemanta Amerikana... ♦ Samy tsy hanaiky ny hanaovana ho tantely afa-drakotra ny CNaPS ireo mpiasa sy ny Tale Jeneraly vaovao...
9 aogositra 2023 — Alarobia, Herinandro Tsotra fahavalo ambin'ny folo Mandavantaona — Taona tsy ankasa — Manantena ny Tompo ny fanahiko, miandry ny teniny aho — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 15, 21-28)
• Nankahery ny vahoaka maneran-tany, hampanjaka ny fiadanana sy ny fandriam-pahalemana, ny Papa Léon XIV, tamin'ny fisehoany voalohany teo amin'ny Bazilikan'i Masindahy Piera ny 8 mey 2025 tamin'ny 7 ora sy 25 minitra, ora tany Roma... • Manentana ny olon-dehibe rehetra manerana an'i Madagasikara ny avy eo anivon'ny Vovonam-pirenena Katolikan'ny Lehibe, mba tsy hiandry farany vao hisoratra anarana, ho an'izay hiatrika ny JNA any Morondava... • Fenofeno ny fandaharam-potoanan'ny Papa Léon XIV, manomboka androany zoma 9 mey hatramin'ny sabotsy 24 mey 2025...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco