Fandaharana "ampela miary" niarahana tamin-Ramatoa Margo. Ny fanomezana omena ny mpampianatra dia tsy tokony hiteraka fitanilana amin'ny fitantanana sy fanabeazana ny mpianatra. Ny fifohazan'ny fitiavana dia tsy misy lasitra na taona voafetra fa samy manana ny toe-pony ny olona rehetra. Amin'ny fitaizana ny zanaka dia mila manao ezaka ny ray aman-dreny na ireo tompon'andraikitra mba tsy handainga amin'ny mety ho famitàna zavatra iray. Tokony ho filamanatra foana ny raiamandreny sy ny mpampianatra...
20 desambra 2023 — Alarobia, herinandro mialoha ny Noely — Ianao ilay Emanoela Mpanjaka sy Mpanalalana anay, avia hamonjy anay, ry Tompo Andriamanitray — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk 1, 26-38)
♦ Tsy hisy mihitsy ny mariazy ho an'ny olona mitovy fananahana ho an'ny Eglizy Katôlika, saingy tsy manilika azy ireny Eglizy. Nanazava ny tsara ho fantatra momba ny fanambarana mikasika ny fampianaram-pinoana nataon'ny Dikastera misahana ny Fampielezana ny Finoana eo anivon'ny Fiketrahana Masina androany, ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara... ♦ Notanterahana teny amin'ny foiben-toeran'ny ARAI teny Ambohijanaka, ny lavanty voalohany ho an'ireo fiara azo tamin'ny alalan'ny kolikoly, nogiazana teto Antananarivo. Fiara 11 no voakasik'izany...
Ny isa FITO (7) dia isa masina satria maneho fahafenoina izay lalan-tsaina nolovantsika malagasy tamin'ny tatsinanana,. Ny isa fito dia ahitana foto-teny "ITO" izay midika hoe tapaka ary io fiheverana io no anton'ny isa fito izay fatotra atao amin'ny faty mba ho fanapahana ny fifandraisany amin'ny velona sy ho fanapahana ny loza. Ny isa fito teo amin'ny malagasy dia midika ho haja sy voninahitra ary fahombiazana. Ny fomba malagasy dia ahitana taratra io isa io avokoa...
• Nankahery ny vahoaka maneran-tany, hampanjaka ny fiadanana sy ny fandriam-pahalemana, ny Papa Léon XIV, tamin'ny fisehoany voalohany teo amin'ny Bazilikan'i Masindahy Piera ny 8 mey 2025 tamin'ny 7 ora sy 25 minitra, ora tany Roma... • Manentana ny olon-dehibe rehetra manerana an'i Madagasikara ny avy eo anivon'ny Vovonam-pirenena Katolikan'ny Lehibe, mba tsy hiandry farany vao hisoratra anarana, ho an'izay hiatrika ny JNA any Morondava... • Fenofeno ny fandaharam-potoanan'ny Papa Léon XIV, manomboka androany zoma 9 mey hatramin'ny sabotsy 24 mey 2025...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco