♦ Notanterahana ny sabotsy 18 jona 2022, ny fanatontosana ny horonan-tsary fanentanana momba ny JMJ Mada X, sy ny famoriana ny anjara biriky ho fizakana ny JMJ Mada X, ao Antsirabe... ♦ Nomarihana tao Mandritsara ny faha-70 taonan'ny Fikambanan-dry Masera Fo Masin'i Jesoa sy Fo Madion'i Maria... ♦ Hotanterahana ny 1 ka hatramin'ny 3 jolay 2022 ny Andron'ny Ankizy eto Antananarivo...
Notanterahana tetsy amin'ny CCI Ivato ny 16 hatramin'ny 18 jona 2022 ny fikaonan-doham-pirenena ho an'ny fizakan-tena ara-tsakafo. Resy lahatra ny fitondram-panjakana fa ny fambolena no fanoitra ho enti-miady amin'ny tsy fanjarian-tsakafo sy fitaovana ho enti-mampandroso ny firenena, ary afaka hampitombo ny harin-karena hoy ny filohan'ny Repoblika Andry Rajoelina nandritra ny fanokafana izany...
Ndao hankaherezina ny raim-pianakaviana amin'ny asa sy ny adidy miandry azy ireo. Ny "ray" dia singa fototra iray ao anatin'ny fianakaviana. Ny teny hoe "raim-pianakaviana" dia kambateny azo tamin'ny : "RAY" lehilahy manana vady aman-janaka, loharano niaviana, loham-pianakaviana ; "FIANAKAVIANA" taranaka avy amin'ny olona iray, olona manana ra iraisana, fiaviana iray. Ny ankohonana dia fiaraha-monin'ny ray, reny ary ny zanaka.
Ny adidin'ny olom-pirenena : fanasoavana ny mpiara-belona, fandalàna ny marina, fitiavana sy fanompoana tanindrazana, fankatoavana ny fahefana ara-dalàna, fanatanterahana ny asa soa iombonana. Katesizy momba ny fifandraisan'ny mpiara-belona, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.
Notendren’ny Papa Leon XIV ho Eveka mpandimby toerana (évêque coadjuteur) ao amin’ny Arsidiosezin’i Fianarantsoa i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, izay eveka mpanampy ao amin’ny Diosezin’i Morondava, ankehitriny.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco