Aretina efa nisy hatramin'ny andro niainan'ny Jesoa Kristy ny "habokàna", ary efa nisy hatrany ny fandraisana an-tanana ireny teo Madagasikara. Efa misy ny fivoaran'ny fikarohana mikasika ny fitsaboana ny aretina habokàna. Ny habokana dia vokatry ny otrik'aretina "Bacile de hansen". Ity aretina io dia areti-mifidra fa tsy manaranaka, mifindra amin'ny alalan'ny ivy, rora, lelo, fifampikasohana maharitra amin'ny marary. Manafika ny hoditra, ny retsika sy ny lalan-drivotra ary ny maso io otrik'aretina io...
♦ Hafatra avy amin'ny Fivondronamben'ny Eveka ho an'ny ankizy, manentana azy ireo mba ho ankizy apôstôlin'ny ankizy marina tokoa, eo amin'ny lafim-piainana rehetra... ♦ Manolotra fisaorana sy fankasitrahana ho an'ireo rehetra nitoto nahafotsy, nahandro nahamasaka ny JNE-3, notontosaina teto Antananarivo, ny Vikera Jeneraly eto amin'ny Diôsezin'Antananarivo... ♦ Hanatanteraka ny "pèlerinage" nasiônaly ny avy eo anivon'ny "Aumônerie militaire"...
Hivaha tsy ho ela ny olan'ireo mpiantsehatra amin'ny fiompiana akoho manatody lava sy ny fakàna nofo amin'ny fahitàna ny katsaka foto-tsakafon'ny akoho ompian'izy ireo sy ny halafosany.
Ny olona afaka dia manompo an'Andriamanitra, manatanteraka ny asa an-tsitrapo, tsy misy nenina, miasa am-pitiavana. Ny asa ny vahoaka afaka dia mamaritra ny maha izy ny olombelona. Ny miasa maimaimpoana dia mahafoy ho an'ny hafa sy ny Tompo. Ny fitiavana an'Andriamanitra misokatra amin'ny fitiavana ny hafa dia mampitodika amin'Andriamanitra. Katesizy momba ny asa, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
• Fo sy fanahy no beazina eo amin'ny Sekoly Katolika, hoy i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana, nandritra ny fanokafana ny Taom-pianaran'ny Fanabeazana sy ny Sekoly Katolika... • Ny fitsanganan'i Jesoa ho velona no manafaka ny alahelo, ary mamerina indray ny hafaliana, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny fampianarany tamin'ny Audience Générale ny alarobia lasa teo...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco