Mandray anjara amin'ny fampandrosoana ny vehivavy, amin'ny andraikitra raisiny eo anivon'ny tokantrano, fiaraha-monina, fiangonana. Ilaina ny fahazotoana sy ny finiavana ao anatin'izany. Ho fitantanana izany anefa dia ilaina ny fifampiresahana eo anivon'ny tokantrano, manoloana ireo andraikitra marobe raisina ireo.
Fampivoarana ny toe-karena. Ho fampivelarana ny maha-olona no tanjon'ny fampivoarana ny toe-karena. Adidin'ny mpitondra fanjakana ny mandrindra ny toe-karena, adidin'ny vahoaka entina ny mijoro ho tompon'andraikitra amin'ny fanatontosana. Katesizy momba ny fikatrohana, iarahana amin'i P. Hermann Solonomenjanahary.
Ry kritianina havana, zoma ny andro, ary zoma voalohany amin’izao karemy izao ihany koa hibanjinantsika ny fijalian’i Jesoa amin’ny lalan’ny hazofijaliana. Ny lalan’ny hazofijaliana izay hiarahantsika aminy mankany amin’ny fahafatesany sy ny fitsanganany ho velona.
♦ Tsy hiova ny fifandraisan'ireo Eorôpeana sy ny vahoaka Malagasy, ary mitohy hatrany izany, hoy ny mpiandraiki-draharahan'ny Delegasiôna Eorôpeana eto amintsika... ♦ Nankatoavin'ny OMS ny andrana ara-pitsaboana natao tamin'ny CVO+, hitsaboana ny Covid-19. Tonga teto amintsika ireo manam-pahaizana manokana, nanara-maso ny dingana rehetra tamin'izany, hoy ny teo anivon'ny Pharmalagasy... ♦ Hafindra any Antsirabe, noho ny toetr'andro ny fanamarihana ôfisaly ny Andro Iraisam-pirenena ho an'ny Vehivavy amin'ny 8 marsa 2022 izao...
• Fo sy fanahy no beazina eo amin'ny Sekoly Katolika, hoy i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana, nandritra ny fanokafana ny Taom-pianaran'ny Fanabeazana sy ny Sekoly Katolika... • Ny fitsanganan'i Jesoa ho velona no manafaka ny alahelo, ary mamerina indray ny hafaliana, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny fampianarany tamin'ny Audience Générale ny alarobia lasa teo...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco