Mandalo ny fiainana "olom-banona" vao afaka miaina ny maha "olom-pirenena", manana adidy sy andraikitra. Fandaharana "mba ho vanona", iarahana amin'i Jeneraly Désiré Philippe Ramakavelo.
Ry kristianina havana, rentsika matetika ary tsianjery ho an’ny ankizy mihitsy aza ny hoe "manomboka amin’ny alalan’ny alarobian’ny lavenona ny karemy", ary "maharitra 40 andro". Ny zavatra hita sy tsapa dia miezaka ny isam-piangonana sy ny fikambanana masina mikarakara sy manomana an’ity fotoan-dehibe ho an’ny fibebahana ity, mba hiainan’ny kritianina isan-tsokajiny sy amin’ny salan-taonany avy : na ny kely na ny lehibe an’izany Karemy izany.
Alarobia 2 marsa 2022 — Fanosorana lavenona — Mibebaha ianareo, hoy ny Tompo; fa efa akaiky ny Fanjakan’Andriamanitra — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 6, 1-6. 16-18
♦ Manaja ny tsy fiandaniana i Madagasikara manoloana ny ady eo amin'i Russie sy Ukraine, hoy ny Praiministra, raha naneho hevitra izy, tao aorian'ny ady sisika nataon'ny diplaomaty samihafa misarika antsika hanohana izay tohanany... ♦ Tokony hatao laharam-pahamehana ny fiaraha-midinika hikatsahana fitoniana eto amin'ny firenena mialoha ny fifidianana amin'ny taona 2023, hoy ny CFM... ♦ Nozaraina nanaomboka androany, hatramin'ny zoma ho avy izao ny karatra ampiasain'ny mpianatra eny amin'ny sekoly Polytechnique Vontovorona, ahafahana mandray ny vatsim-pianarana...
• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco