Miady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo amin’ny alalan’ny famokarana masomboly nohatsaraina aparitaka eny amin’ny tantsaha ny OPR SOA MITAMBATRA. Vovonam-pikambanana ao amin’ny faritra Amoron’i Mania ity fikambanan’ny tantsaha iray ity. Miparitaka amin’ny distrika miisa efatra, dia Ambatofinandrahana, Fandriana, Manandriana ary Ambositra ny OPR SOA MITAMBATRA. Ahitana mpikambana mpamokatra masomboly 174. Mamokata masomboly 40 Taonina isan-taona eo ho eo...
Miatrika fanamby maro ny tanora ankehitriny, ary miaina anaty faharefoana ny ankamaroany. Maro ny antony mahatonga izany, toy ny tsy fananan’asa, tsy fanajana ny soatoavina, fanamby ara-pahasalamana, ary indrindra ny fanabeazana tsy lavorary. Noho izany, ilaina ny fandraisana andraikitry ny olon-drehetra sy ny sehetra samihafa, mba hanome lanja ny fanabeazana sy ny finoana ho hery hiatrehana ny ho avy mamiratra... Fandaharana "Miaina - Mitia" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.
Araka ny fombam-pitenenana iray nataon'ny Aba, dia tsara kokoa ny amakiana ny Soratra Masina ao am-pon'ny Eglizy, toy izay amin'ny fitaovana fampitana ny heviny. Satria, entin'ny Eglizy ao amin'ny Lovam-pampianarany ny fahatsiarovana velon'ny Tenin'Andriamanitra, ary ny Fanahy Masina manome azy ny fivoasana ara-panahy ny Soratra Masina "... araka ny hevitra ara-panahy izay atolotry ny Fanahy Masina ny Eglizy... Katesizy momba an'ny Soratra Masina, tenin'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Ralison Raphaël Eugène.
• Maro ireo naratra, nisy ny voasambotra, nisy ny trano may vokatry ny hetsika “Leo délestage” androany, tao Antananarivo Renivohitra sy ny manodidina. Mitohy hatramin'izao hariva izao ny hetsika fanakanan-dalana sy fandorana kodiarana ataon'ny mponina amin'ny tanana maro... • Nofoanana noho ny toe-draharaha politika misy eto amin'ny firenena ny Kongresy Nasionalin'ny antoko AVI, izay saika hatao rahampitso tetsy amin'ny CCI Ivato... • Manjaka ny hala-tany any amin'ny Kaominina Ambohibary, Distrikan'i Moramanga. Tany mirefy 5.000 m² bo bodoin'olona iray...
• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco