Ny fotoana manokana dia tena manova fiainana na eo amin'ny mpivady na eo amin'ny mpianaka. Mitondra fiadanan-tsaina, fiadanam-po, fiadanam-panahy. Fehiny : mahasambatra. Fandraharana "Mba ho vanona" iarahana amin'i Jeneraly Désiré Philippe Ramakavelo.
Mba hananana fahasalamana feno dia ilaina ny fametrahana tanjona ara-pahasalamana. Isan'ny antoka hazoana fahasalamana ny fandanjalanjana ny sakafo, ny torimaso ary ny fampiasam-batana. Fandaharana "Ampela Miary", vokarina eto amin'ny radio Don Bosco.
Alarobia 13 oktobra 2021 — Herinandro fahavalo amby roapolo mandavantaona — Ny teninao, ry Tompo, no fahamarinana. Ankamasino amin’ny fahamarinana izahay — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 11, 42-46
♦ Nidina an-dalambe nitaky ny zo hianatra ireo mpianatra ao amin'ny ENS Ampefiloha androany. Nilanja sora-baventy nanoloana ny Ministeran'ny Asa Vaventy ihany koa ireo mpandraharaha mpanao lalana tsy mbola nahazo ny volany hatramin'izao... ♦ Feno 130 taona ny Hôpitaly Miaramila eny Soaviandriana. Tsangambaton'ny taon-jobily ny fanavaozana sy ny fanitarana ny sampan-draharaha handraisana ny hamehana eny an-toerana, notokanan'ny Filoham-pirenena androany...
• Hampafantarina amin'ny fomba ofisialy ny alahady 9 novambra 2025, ny Baiboly Masina Katolika misy fanazavana... • Manatanteraka fihaonambe maneran-tany any Argentine, ny Lahika Karismatika Orionista... • Loharanon'ny fanantenana sy ny fahafenoana ny fitsanganan'i Kristy ho velona, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fampianarany nandritra ny Audience générale ny alarobia lasa teo...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco