Ankehitriny ny fahotana dia mifototra amin'ireo tsy mihaino ny tenin'Andriamanitra. Maro ny olona no tsy miraharaha ny fisian'Andriamanitra mihitsy. Vahaolana ny Zokiolona : ampitaina ny trai-kefa hahafahana mamakafaka. Misy anjara toerana manokan'ny zokiolona amin'ny fifandraisana amin'ny taranany , izay tsy miainga amin'ny zavatra teo aloha dia hirona amin'ny fahaverezana. Katesizy momba ny fiaraha-monina sy ny taranaka mifandimby, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina J. Emilien.
♦ Tontosa omaly ny fanamasinana ho Eveka, an'i Mgr Luc Oliver Razfitsimialona, hitantana indray manomboka izao ny Diôsezin'i Tolagnaro... ♦ Nentin'ny Papa nandritra ny fampianarany tao aorian'ny vavaka Angelus, ny fanentanana ny rehetra mba hianatra hiaina an-kalalahana, afaka amin'ireo gadra vy izay mamatotra ny tsirairay...
Zava-tsoa ara-panahy ilaintsika krisitianina mivahiny eto an-tany ny Sakramenta, ary mankany amin'ny mandrakizay ny vokatr'izany.
28 janoary 2024 — Alahady Tsotra fahefatra Mandavantaona — Fanahy sy fiainana, ry Tompo, ny teny voalazanao; Ianao no manana ny teny fiainana mandrakizay — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 1, 21-28)
• Fo sy fanahy no beazina eo amin'ny Sekoly Katolika, hoy i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana, nandritra ny fanokafana ny Taom-pianaran'ny Fanabeazana sy ny Sekoly Katolika... • Ny fitsanganan'i Jesoa ho velona no manafaka ny alahelo, ary mamerina indray ny hafaliana, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny fampianarany tamin'ny Audience Générale ny alarobia lasa teo...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco