Ilaina ny fifampitokisana sy ny fahaiza-mihaino eo amin'ny mpitarika sy ny mpikambana. Kanefa na inona na inona no mety ho endriky ny dinidinika nifanaovana, dia ny lehibe mandrakariva no tompon'ny teny farany, ary ny mpikambana dia manaiky amim-pinoana sy amim-pitiavana. Katesizy momba ny fanekena, iarahana amin'i P. Rasolofoniaina Olivier.
♦ Mbola hitohy ny dinika amin'i Lafrantsa momba ny fitakiana ireo "Iles éparses", hoy ny Minisitry ny Raharaham-bahiny androany. Efa mamarana ny fisivanana ireo Masoivohontsika any ivelany kosa ny Minisitera tantanany ankehitriny... ♦ Nodimandry tampoka ny Filoha Lefitry ny Fiangonana Loterana Malagasy, ny Pastora Velomahatombo... ♦ Voasambotra ny ramatoa mahitahita nibodo ny tanin'ny vahoaka 148 Ha, any Belambo, Disitrikan'i Toamasina Faharoa...
Ny fahavanonana sy ny hoe maha-olomp-pirenena dia tsy afaka misaraka. Mifameno ireo, tsy ho tomombana ny maha-olom-pirenena raha tsy ao ny fahavanonana. Fandaharana "mba ho vanona", iarahana amin'i Jeneraly Désiré Philippe Ramakavelo.
Rehefa tonon-taona dia misy foana ny famaritana tanjona sy ny dingana samihafa hatrarana izany. Atao araka izany, ny tomban'ezaka tamin'izay vita nandritra ny taona 2021, ary hapetraka ny tanjona ho amin'ny taona 2022. Ilaina hatrany ny fanaovana tombana mialohan'ny hanatanterahana zavatra hafa sy vaovao. Fandaharana "Ampela Miary", tontosaina eto amin'ny RDB.
• Fo sy fanahy no beazina eo amin'ny Sekoly Katolika, hoy i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana, nandritra ny fanokafana ny Taom-pianaran'ny Fanabeazana sy ny Sekoly Katolika... • Ny fitsanganan'i Jesoa ho velona no manafaka ny alahelo, ary mamerina indray ny hafaliana, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny fampianarany tamin'ny Audience Générale ny alarobia lasa teo...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco