♦ Hohatsaraina ny fomba fitsarana ny voka-pifidianana, hoy ny Filoha vaovaon'ny Fitsarana Avo momba ny Lalam-panorenana. Tontosa androany teny Ambohidahy ny famindram-pahefana teo aminy sy ny Filohan'ny HCC teo aloha... ♦ Hanao fanadihadiana parlemantera sy hampiantso ny Minisitry ny Fitsarana ny eo anivon'ny Antenimieram-pirenena, momba ilay raharaha ady tany eny Antanandrano, hoy Andriamatoa Naivo Raholdina. Nidina ifotony teny an-toerana androany ity Solombavambahoaka ity...
Nanatsara ny famokarana Zezika kankana nofotorany nandritra ny taona maro Andriamatoa Ranaivoarisoa Basile, fantatry ny maro amin'ny solon'anarana Papa Bio...
Mampirindra ny tokantrano ny fahaiza-miaina sy mitia eo amin'ny mpivady. Silam-panahy ny vady ary olona tiana no sady tia. Ireto avy ny zava-dehibe tsara ho fantatra ao anatin'izany : fitiavana, fifankahalalana tanteraka, fifanankalozan-kevitra, fifampitokisana, finoana...
Ny fifandraisana eo amin'ny fianakaviana no rohy maha mpihavana. Manana ny lanjany ny fihavanana ary notandroina fatratra teo amin'ny Malagasy. Ny fihavanana dia nahafahana nandrindra fiaraha-monina sy disadisa, ambony lavitra noho ny vola sy ny voninahitra. Katesizy momba ny fianakaviana iarahana amin'i P. Randriamanamahenina Robert Maria...
Notendren’ny Papa Leon XIV ho Eveka mpandimby toerana (évêque coadjuteur) ao amin’ny Arsidiosezin’i Fianarantsoa i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, izay eveka mpanampy ao amin’ny Diosezin’i Morondava, ankehitriny.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco