Natao hitandro ny hasin'ny fiaraha-monina ny kristianina, satria izy ireo no fanasin'ny tany. Misy fitsipika mifehy ny fiainana kristianina mba hahafahana manamasin-tena.
Fandalinam-pinoana momba ny finoana kristianina, miaraka amin'i Mgr Jean Pascal Andriantsoavina, Eveka mpanampy, Arsidiosezy Antananarivo.
Nampihatra fomba fambolena voatabia nohatsaraina, ahazoana vokatra haingana ao anatin'ny fotoana fohy ary mandava-taona, mampihena ny vola mivoaka amin'ny fividianana masomboly ny fikambanana Lanja Miakatra...
Mampivelatra ny sain'ny tanora ny fampiasàna ny talentany, anisan'izany ny slam. Mampiroborobo ny maha-olona sy ahafahana maneho ny hevitra sy ny fahaizana amin'ny alalan'ny teny, ny soratra sy ny fikarohana. Manentana ny tanora hikaroka sy hampiasa ny talenta ao anatin'ny kolotsaina sy ny soatoavina...
Singa roa no feno rehefa misy ny fifampizarana andram-piaiana dia eo ny mpitantara sy ny mpihainoa. Miteraka zava-tsoa maro ho an'ny tsirairay ny fifampizarana. Mila fantarina anefa iza avy ireo hizarana andram-piainana. Katesizy momba ny fifampizarana andram-piainana, iarahana amin'i P. Hermann Solonomenjanahary.
• Fo sy fanahy no beazina eo amin'ny Sekoly Katolika, hoy i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana, nandritra ny fanokafana ny Taom-pianaran'ny Fanabeazana sy ny Sekoly Katolika... • Ny fitsanganan'i Jesoa ho velona no manafaka ny alahelo, ary mamerina indray ny hafaliana, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny fampianarany tamin'ny Audience Générale ny alarobia lasa teo...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco