Alahady 27 nôvambra 2022 — Alahady voalohany amin'ny Fiavian'ny Tompo — Taona A — Asehoy anay, ry Tompo, ny famindram-ponao! Ary omeo anay ny famonjena avy aminao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 24, 37-44
Mila mitandrina ny olona rehetra satria misy mandavantaona ny covid-19 ary mety ho tratrany daholo ny sokajin'olona rehetra. Marihina fa ity coronavirus ity dia mety hiditra amin'ny : orona, maso, lalan-drivotra, sofina, ary mamonjy ny avokavoka. Rehefa tonga ao amin'ny avokavoka ny tsimokaretina dia miparitaka amin'ny vatana amin'ny alalan'ny lalan-dra. Maro ny taova tafian'io tsimokaretina io. Ny fambara : mikohoka, voan'ny sery, manavy, sempotra, reraka, mangovingovitra, miakatra ny tosi-dra... Ny fahavoazana mety hitranga : mivonto ny fo, marary ny voa, fahasimban'ny sarakaty ka mampihetsika ny toe-batana diabetika, misy tsy fahatomombanana ny saina, marary ny hoditra...
♦ Manao antso avo amin'ny herivelona rehetra ny Vaomieran'ny Eveka momba ny Rariny sy Fiadanana, hampanjaka ny rariny sy ny fandriampahalemana ary ny fanajana ny zon'olombelona... ♦ Tsy fifanoherana ny fahasamaihafana fa kanto ho an'ny Eglizy, hoy i Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina, Evekan'i Morondava... ♦ Fahatokiana sy fitiavana no hafatra nampitain'ny Papa François ho an'ireo mpandray anjara tamin'ny hetsika momba ny foto-pampianaran'ny Fiangonana momba ny fiaraha-monina sy ny sosialy tao Verone, Italie...
Novoizina nandritra ny taona maro teto Madagasikara ny zezika kankana. Zezika ahazoana vokatra ara-biolojia eo amin'ny fambolena. Isan'ny mampiasa io zezika io ny fikambanana Lanja Miakatra. Nizara fahalalana sy ny traik'efa momba izany ny mpanorina ny fikambanana Ranaivoarison Basile, Papa Bio.
• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco