Fanabeazana maha-olona no atao fa tsy sanatria fibaikoana biby. Koa raha manao adalana izy dia aoka ho ampahafantarina azy ny hadisoany : ampianaro handinika izy ; atoroy azy ny lala-mahitsy tokony hizorany ; hajao koa anefa ny safidy maha-olona azy satria ao anatin'ny fahafahana no maha hendry ny olombelona fa tsy ao anatin'ny fangejàna. Katesizy momba ny fianakaviana, iarahana amin'i P. Randriamanamahenina Robert Maria.
Ny fahefana anaty dia ilay fanahy endrik'Andriamanitra ao amintsika olombelona. Raha iainana io fahefana anaty io dia hiova tanteraka ny fiainan'ny tsirairay. Fandaharana "mba ho vanona", iarahana amin'ny jeneraly Ramakavelo Désiré.
Alarobia 14 septambra 2022 — Ny nanandratana ny Hazofijaliana Masina — Mitsaoka Anao sy misaotra Anao izahay, ry Kristy, satria tamin’ny Hazofijaliana no nanavotanao izao tontolo izao — Evanjely Masina nsoratan'i Masindahy Joany 3, 13-17
♦ Nankatoavin'ny Filankevi-pitantanan'ny Tahirim-bola Iraisam-pirenena ny famoahana ny 31,9 tapitrisa dolara, ho an'i Madagasikara amin'ny alalan'ny FEC. Noho ny ezaka vitan'i Madagasikara amin'ny fanarenana ny toe-karena ankapobeny no nahazoana izany fanampiana izany... ♦ Hanohana ny Filoham-pirenena amperin'asa mandritra ny fifidianana amin'ny taona 2023 ny Antoko Maitso Hasin'i Madagasikara... ♦ Miantso vonjy manoloana ny tsy fandriam-pahalemna tena mahazo laka any amin'ny Distrikan'i Mahabo, Faritra Menabe, ny fikambanan'ny Distrikan'i Mahabo Mahity Miaraky na D3M...
• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco