Napetrak’Andriamanitra eo anivon’ny zavaboahary mahagaga aho. Ny olombelona no zavaboahary tsara indrindra nataon’Andriamanitra. Isan’izany aho sy ireo olona manodidina ahy : izay no antsoina hoe fiaraha-monina. Faly aho fa manana ny toerako eo anivon’ny fiaraha-monina misy ahy. Manana adidy aho manoloana izany: manatsara azy, mikajy ny soa iombonana, mandray andraikitra, mibe sy manabe ny hafa, ho modely ho an’ireo tanora namako. Fandaharana "miaina sy mitia"
Ny fitaovam-pifandraisana dia manome sehatra ahafahana manasongadina ny "fifanakalozana". Ny fitaovam-pifandraisana dia minamafy ny fifandraisan'ny mpiara-belona ary isan'ireo mampisy ny "fiombonana". Misarika ny sain'ny mpampiasa ny fitaovam-pifandraisana ny Egilsy mba hahay handanjalanja ny fampiasana azy io. Katesizy momba ny fifandraisan'ny mpiara-belo, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.
♦ Hampitombo ireo lesoka sy tsy fanarahan-dalàna nandritra ny fifidianana tamin'ny taona 2018, ny tsy fanovana ny lalàna mifehy ny fifidianana, ho ny KMF/Cnoe... ♦ Velaran-tany 45.000 Ha no simba any amin'ny faritra arovana Menabe Antimena, tato anatin'ny 20 taona, vokatry ny fifindra-monina. Omena tany 2 Ha isan'isany, ireo fianakaviana 500 mpifindra monina any, anatin'ny tetikasa "Titre Vert"... ♦ Olona telo no naratra, iray maty, vokatry ny asan-jiolahy sy halatra omby, tany amin'ny Distrikan'i Fenoarivobe, ankoatra ireo omby 20 very...
Zaro amin'ny lalana tokony alehany ny zanaka dia hanana ny fahavanonam-piainana izy. Ho lavitry ny herisetra sy ny risoriso izay manapotika ny fiaraha-monina izy ireo raha voataiza hanaraka ny lalana tsara. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'ny jeneraly Ramakavelo Désiré.
• Hampafantarina amin'ny fomba ofisialy ny alahady 9 novambra 2025, ny Baiboly Masina Katolika misy fanazavana... • Manatanteraka fihaonambe maneran-tany any Argentine, ny Lahika Karismatika Orionista... • Loharanon'ny fanantenana sy ny fahafenoana ny fitsanganan'i Kristy ho velona, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fampianarany nandritra ny Audience générale ny alarobia lasa teo...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco