♦ Manentana ny kristianina hifanome tanana hampiroborobo ny asa fitoriana ny Vaovao Mahafaly ny Tale nasiônalin’ny OPM (Œuvres Pontificales Missionnaires), P. Rakotoarisoa Jean Claude amin’izao fankalazana ny Andro Maneran-tany ho an’ny Misiona, izay marihana ny alahady 22 oktobra izao… ♦ Mila manana fo mirehidrehitra sy hafanam-po amin’ny asa fiantrana tahaka ny nataon’i Masindahy Charles de Foucauld isika, hoy ny Papa François, ny alarobia lasa teo… ♦ Nampirisika ny mpino rehetra mba tsy hiandany afa-tsy amin’ny fiadanana ny Papa François manoloana ny savorovoro misy ao Proche-Orient…
Mamaha olana amin'ny tsy fahitan'ny tanora asa ny filofosana amin'ny fiompiana. Isan'ny nahazo vokatsoa tamin'izany Andriamatoa Randrianarisoa Lancia. Niainga tamin'ny bitro miisa 5, Andriamatoa Randrianarisoa Lancia, monina ao amin'ny Kaominina Anjepy, distrikan'i Manjakandriana, ankehitriny efa maherin'ny 2.000 isa ny bitro novokariny tao anatin'ny taona vitsy.
Fantaro ny zava-misy ara-toetr'andro ankehitriny sy ny vokatr'izany eo amin'ny lafiny ara-pahasalamana. Niteraka voka-dratsy maro eo amin'ny lafin'ny fahasalamana ny fiovan'ny toetr'andro ka aleo misoroka toy izay mitsabo, ary izay tsara fiomanana tsy tampohin'ny loza. Fandaharana "miaina sy mitia" iarahana amin'ny Ivon-toerana Arrupe Madagascar.
Ny rafi-pandaminan'ny olona no tokony hifehy ny rafi-pandaminan'ny zavatra fa tsy ny mifanohitra amin'izany tsy akory : " Ny fanasoavana ny olona no tsy maintsy tsinjovina mandrakariva amin'ny fandaminam-bahoaka sy ny fandrosoany. Ny mpiara-belona no miantoka ny fahamarinana ara-piaraha-monina amin'ny fanatanterahany ny fepetra afahan'ny fikambanana sy ny isam-batan'olona mahazo ny zon'izy ireo. Katesizy momba ny ankohonana, iarahana amin'i P. Eric Frank Randriamiandrinirinarivo.
• Hampafantarina amin'ny fomba ofisialy ny alahady 9 novambra 2025, ny Baiboly Masina Katolika misy fanazavana... • Manatanteraka fihaonambe maneran-tany any Argentine, ny Lahika Karismatika Orionista... • Loharanon'ny fanantenana sy ny fahafenoana ny fitsanganan'i Kristy ho velona, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fampianarany nandritra ny Audience générale ny alarobia lasa teo...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco