Matahotra ny olona tia manambony tena. Matahotra ny vavan'olona manodidina azy izy ; matahotra ny hihoaran'ny hafa. Zava-dehibe ny fikatsahana ny hanana ilay hatsaram-panahy maha bitika satria avy amin'Andriamanitra izany. Zava-dehibe ny mangataka amin'Andriamanitra amin'ny alalan'ny vavaka mba hanomezany antsika io hatsaraham-panahy io. Katesizy momba ny hatsaram-panahy maha-bitika, iarahana amin'i P. Solonomenjanahary Hermann.
♦ Mbola manavao ny fanantenana ataony, mba hanohizana ny vavaka ho an'ny fangatahana ny hanandratana ho olomasina an'i Victoire Rasoamanarivo, ny raiamandreny eo anivon'ny Eglizy Katôlika eto Madagasikara... ♦ Kristianina manodidina ny 1800 no niatrika ny fihatahana masina tao amin'ny Distrikan'i Brickaville, Kaominina Andovoranto, izay toerana nahafatesan'i Mgr Henri de Solages... ♦ Hofaranana ny 15 hatramin'ny 17 desambra 2022, ny fankalazana ny faha-60 taona niorenan'ny Lycée Catholique Sainte Chantal, Soanierana...
Mangetaheta famonjena ny olona, te hivoatra sy te handroso amin’ny lafiny maro tokoa ny Malagasy, siangy io no lesoka: samy maka ho azy sy ny ramatahora no miely sy manjaka... Mila Pretra izy ireo, tena Pretra fa tsy irony Fonctionnaires de Dieu irony. Koa ampirisihina isika, heindaka amin’ny zavatra eto an-tany, fa hampiasa azy ireny kosa mba ho fanampiana ny namana dia ny olombelona rehetra tsy an-kanavaka. Midika izany fa mila fihavaozana avy ao anaty isika.
Alahady 4 desambra 2022 — Alahady faharoa amin'ny Fiavian'ny Tompo — Taona A — Amboary ny lalan’ny Tompo, ahitsio ny alehany; dia hahita ny famonjen’Andriamanitra ny nofo rehetra — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 3, 1-12
• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco