Ilaina ny fanokanana fotoana ho an'ny fianankaviana. Ny fotoana manokana, eo amin'ny mpivady, eo amin'ny mpianaka dia endriky ny fanehoam-pitiavana. Io fanokanana fotoana io dia mampifanakaiky am-po, sy hanova tanteraka ny rivo-piaraha-monina. Fandraharana "Mba ho vanona" iarahana amin'i Jeneraly Désiré Philippe Ramakavelo.
Matetika ny olona dia tsy mampiseho mivantana ny tena iainany marina ohatra amin'ny hafaliana na fahasahirana. Raha tsy miaina amin'ny toe-tsaina mangarahara isika dia mitoetra ao anaty fihatsarambelatsihy. Ny voajanahary dia ny milaza izay iainana amin'ny fihetsika na fiteny, tahaka ny fomban'ny ankizy. Ilaina fandanjalanjana araka izany ny toe-tsaina...
Alarobia 6 oktobra 2021 — Herinandro fahafito amby roapolo mandavantaona — Mahatoky amin’ny teniny rehetra ny Tompo, ary tsara fo amin’ny asany rehetra — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 11, 1-4
♦ Nomarihana androany ny andro eran-tany ho an'ny mpanabe. Tsy diso anjara tamin'ny fankalazana ireo mpampianatra mivondrona anaty sendikà... ♦ Hitohy isan'andro, manomboka izao, ny famendrahana ranom-panafody mamono ny tsimok'aretina, ho an'ny fiara fitateram-bahoaka ao an-drenivohitra. Natomboka androany teny Analamahitsy izany...
• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco