♦ Nigadona tao amin'ny Diôsezin'Ambanja ny maraina teo, i Mgr Donatien Francis Randriamalala. Noraisin'ireo mpino kristianina tao tamin'ny fitiavana sy fifaliana teo amin'ny tetezan'i Sambirano... ♦ Vaovao momba ny "Logo" sy ny hira faneva entina miatrika ny Andro Nasiônalin'ny Ankizy, andiany fahatelo, izay hotontosaina eto amin'ny Diôsezin'Antananarivo... ♦ Ny momba ny zotom-po apôstôlika no fampianarana nentin'ny Papa François, nandritra ny "Audience générale" tamin'ny alarobia 11 janoary 2023...
Tsy tratra ny tanjona napetraka tamin'ilay drafi-pirenena ho fampandrosoana ny fambolem-bary na ny SNDR, tamin'ny taona 2016-2020. Tsy mihoatra ny 4% isan-taona ny tahan'ny famokarana eto amintsika, izay tsy mifanalavitra amin'ny tahan'ny fitombon'ny mponina, hoy ny Minisitry ny Fambolena sy ny Fiompiana, Ramilison Harifidy.
Samy manana ny toerany sy ny andraikiny ny rehetra ao anaty fianakaviana iray. Ny fiarahan-dian'ny rehetra ao anatin'izany no nitondra ny hasambarana sy hafaliana eo amin'ny fiainan-tokantrano. Na inona na inona olana sedraina dia niaina hasambarana sy fitiavana hatrany ny tsirairay. Fandaharana "miaina sy mitia" iarahana amin'ny Centre Arrupe Madagascar.
Ny vodiondry, dia ilay fanambadiana araka ny fomba Malagasy. Maro ireo mihevitra fa rehefa vita ny vodiondry dia foana ny sakatsakana tsy ahafahana miray trano. Misy ireo azo adika hoe mihatsara-velatsihy satria efa mitondra vohoka ny vavy dia ezahana atao haingana ny vodiondry. Ny fahavitan'ity dingana faharoa ity dia tsy mbola midika hoe efa afaka miray trano ny mpivady. Katesizy momba ny fianakaviana sy ny Sakramentan'ny Batemy, iarahana amin'i P. Rafaralahimboa Justolat.
• Hampafantarina amin'ny fomba ofisialy ny alahady 9 novambra 2025, ny Baiboly Masina Katolika misy fanazavana... • Manatanteraka fihaonambe maneran-tany any Argentine, ny Lahika Karismatika Orionista... • Loharanon'ny fanantenana sy ny fahafenoana ny fitsanganan'i Kristy ho velona, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fampianarany nandritra ny Audience générale ny alarobia lasa teo...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco