7 aprily 2024 — Alahadin'ny Famindrampon'Andriamanitra — Alahady Faharoa Fankalazana ny Paka — Nino ianao, ry Tômà, satria nahita Ahy, fa sambatra izay tsy nahita ka nino — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 20, 19-31)
Ny mialohan'ny diabeta dia tsy misy fambara mazava ho an'ireo olona manana olana diabeta sokajy faharoa (type II), izay 5 hatramin'ny 10 taona eo ny fihomboany. Ny "pré-diabète" dia amin'ny alalan'ny fitiliana no hamantarana azy ; ireto misy tokony ho fantatra : ny voalohany manao "glicemie à jeûne" tsy misakafo ao anatin'ny 8ora ka [1,10g/l - 1,25g/l] na [6,1mmol/l - 7,1mmol/l ] ny taha, ny faharoa fitiliana "intolerance au glucose". Fandaharana "andriano ny fahasalamana" iarahana amin'ny Radio Don Bosco.
♦ Notanterahana ny 2 sy ny 3 aprily 2024, teny amin'ny Episcopat Ambatoroka, ny asa famondronana ny hevitra avy amin'ny Diôsezy, famaliana ireo fanontaniana nivoitra tamin'ny Sinaodin'ny Eveka, andiany voalohany, natao tany Rôma ny volana ôktôbra 2023... ♦ Manatanteraka ny “Chapitre Provincial”, andiany faha-11, ety amin'ny Miason Don Bosco Ivato, nanomboka ny alarobia 3 aprily 2024, ny fikambanan-drelijiozy Salezianin'i Don Bosco...
Nitondra fampivoarana teny amin'ny tontolo ambanivohitra tamin 'ny alalan'ny fampitana ny teknikam-pamokarana samihafa ny fikambanana Fambolena sy Teknolojia any Ambanivohitra na ny FTA. Nampivoatra sy nampiova ny fomba fijeren'ny tantsaha momba ny famokarana ny haitao naparitak'izy ireo...
• Sarotra ny mitory kanefa meteza hanoha riana, hoy ny fampianarana nentin'i Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina, Filohan'ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, nandritra ny toriteny nataony tamin'ny fanamasinana ho eveka an'i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Miisa 564 mianadahy ireo andiany, nisalotra ny anarana Masindahy Augustin, navoaka tamin'ny sabotsy 20 septambra 2025, avy eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Tantano amim-pirahaliana sy amim-pahendrena ireo haren'ny tany, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny Angelus omaly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco