Ny "andropause" dia fihenan'ny ely "testostérone" eo amin'ny lehilahy izay efa zokiolona. Ny andropause dia sady tsy tranga mitranga ara-potoana ary tsy voatery miaraka amin'ny soritr'aretina. Mihena tsikelikely ny taha sy ny kalitaon'ny testosterone. Ny hatavizana dia maha aingana ny fisehon'ny "andropause". Fandaharana "Ampela Miary" tontosaina eto amin'ny Radio Don Bosco.
9 avrily 2025 — Alarobia, Herinandro Fahadimy amin'ny Karemy — Toy izao no nitiavan’Andriamanitra an’izao tontolo izao: nomeny ny Zanany Tokana ka hanana ny fiainana mandrakizay izay rehetra mino Azy — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 8, 31-42)
• Miankina amin'ny fahaizan'ny mpitondra miady hevitra sy mandresy lahatra no mety hidinan'ilay tataon-ketra 47 % takian'ny fitondrana Amerikana, hoy ny Depiote Imbiky Herilaza... • Mahatratra 14 tapitrisa Dolara ny vola very momba ny jono tsy manara-dalana ho antsika eto Madagasikara... • Mandalo eto Madagasikara manao tombana ny asa natao tamin'ny alalan'ny tetikasa notohanany, ny iraky ny RI-FAR avy any Frantsa...
Ny Fanany Masina mitoetra ao amin'ny mpino hoy isika no manohana ny mpino mba hizotra amin'ny fiainana mandrakizay. Ny Fanahy Masina no nananganana antsika ho zanaka malalan'ny Ray, mahatonga antsika ho mpanara-dia an'i Kristy. Asan'ny Fanahy Masina amin'ny fanamasinana ny Eglizy ny fampidirana azy amin'ny hafenoan'ny marina... Katesizy momba ny Fanahy Masina manamasina ny Eglizy , iarahana amin'i P. Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana.
• Fo sy fanahy no beazina eo amin'ny Sekoly Katolika, hoy i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana, nandritra ny fanokafana ny Taom-pianaran'ny Fanabeazana sy ny Sekoly Katolika... • Ny fitsanganan'i Jesoa ho velona no manafaka ny alahelo, ary mamerina indray ny hafaliana, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny fampianarany tamin'ny Audience Générale ny alarobia lasa teo...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco