Mamondron-kery, miara-mientana miatrika ny fiovan’ny toetr’andro ireo kaominina miisa fito manamorona ny lalam-pirenena faha telo miainga eo Ambohimanga rova hatrany Anjozorobe. Nisy ny atrik’asa niarahana nandinihana sy nandrafetana ny drafitra paik’ady entina manatanteraka izany. Nandray anjara tamin’ny atrik’asa ny ben’ny tanàna, ny filohan’ny filankevitra kaominaly ary ireo mpitarika fikambanana samihafa eny ifotony. Atrik’asa nandritra ny roa andro nanomboka omaly nifarana androany tao amin’ny FTA na ny Farming and Technology for Africa eny Ambohimanga Rova...
Ny fanantenana vokatry ny fifankatiavana dia manasongadina ny herin’ny fitiavana amin’ny fanomezana hery sy fanantenana eo amin’ny fiainana. Afaka aseho amin'ny endriny maro izany fitiavana izany na eo amin’ny mpivady, na fianakaviana, na fiaraha-monina amin'ny alalan'ny fihetsika madinika isan'andro. Na dia eo aza nefa ireo sakana tsy havitana izany dia misy hatrany fomba hihoarana izany dia ny fialana amin’ny hambom-po sy fisokafana amin’ny hafa. Ny fifankatiavana matotra dia mitondra fiadanam-po, fitovian-danja, fivelarana iombonana ary fahaiza-miatrika ny sedra... Fandaharana "Miaina - Mitia" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.
I Kristy ilay Masina no manamasina ny Fiangonana, nanolon-tena ho azy satria noraisiny ho toy ny vadiny ny Fiangonana. Ny Fiangonana dia Vahoakan'Andriamanitra misy ny Eveka, Pretra sy ny Lahika ary ny relijiozy ary mifototra sy mivondrona ao amin'i Kristy. Ny fanarahana ny toro-hevitry ny Evanjely no hevitra fototra iraisan'ny Relijiozy... Katesizy momba ny relijiozy, iarahana amin'i P. Eric Franck Randriamiandrinirinarivo.
• Nampiato ny fitokonany androany ny Tambaben'ny Mpiasan'ny Jirama. Nanao fanambarana izy ireo fa vonona hihaona amin'izy ireo ny Filoham-pirenena, ka noraisina aloha izay fampiatoana ny fitokonana izay... • Mahatratra 73 % ny taham-piaboan'ireo olona mitondra ny tazomoka any amin'ny Distrikan'Ikongo. Efa misy fivoarany ny zava-misy any an-toerana, hoy ny Tale Jeneralin'ny BNGRC androany tamin'ny mpanao gazety... • Nampiharina tamin'i Da-Willy, ilay tovolahy nanolana zaza tsy ampy taona teny Imerintsiatosika, ny lalanan'ny famosirana. Navoakan'ny Fitsarana androany teny Anosy, ny didim-pitsarana manasazy ity tovolahy ity...
• Hampahafantarina amin'ny fomba ofisialy, ny 9 novambra 2025, ny Baiboly Masina Katolika misy fanazavana... • Hotanterahana eny Bevalala ny fangataham-pahasoavana sy fametrahana eo ampelatan'Andriamanitra ny Taom-pianarana 2025-2026, ho an'ny Sekoly Katolika eto amin'ny Diosezin'Antananarivo... • Fahazavan'ny Fiadanana sy ny Fandriam-pahalemana ary ny Fanantenana ho an'izao tontolo izao ny Fahamasinana, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fampianarany nandritra ny Angelus omaly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco