♦ 15 jolay 2020 : feno herin-taona ny nahamay ny Ôfisim-pirenena momba ny tontolo iainana, mitohy sy mivoatra ny fanadihadiana mikasika ny antony nahamay ny ONE. Nosokafana ny fanadihadiana manokana ara-teknika sy siantifika ataon'ireo manam-pahaizana manokana momba ny hain-trano. ♦ Varika matavy rambo : :tamin'ny taona 1970 no nahitàna azy voalohany teo Madagasikara, tsy mbola voafaritra mazava ny toerana tena misy azy. ♦ Ny mandrafitra ny tetiandro-pambolena...
Teny roa no misongadina ao anatin'ny hoe : "soatoavin'ny asaramanitra" dia ny soatoavina sy ny asaramanitra. Soatoavina : soa toavina, hajaina, iainana ary hifampitàna ary ity farany no tena zava-dehibe. Asaramanitra : fotoana hanaovana fety toy ny taom-baovao sy ny fetim-pirenena, hifampiarahabana, hifampitsidihana arahina fifanolorana fanomezana. Ny asaramanitra dia fotoana mamarana ny fahavaratra ary miditra amin'ny vanim-potoanan'ny fijinjana, fiakaran'ny vokatra asara. Asaramanitra : Saha + manitra.
Alarobia 7 jolay 2021 — Herinandro fahefatra ambin'ny folo mandavantaona — Efa nataoko hoe Sakaiza ianareo, hoy ny Tompo; satria efa nambarako taminareo avokoa izay rehetra reko tamin’ny Ray — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 10, 1-7
♦ Hirosoana avy hatrany ny fitsarana ny taratasin'ireo mpiadina CEPE izay nahavita fanadinana androany ary ho hafainganina ny famoahana ny voka-panadinana, hoy ny Minisitra tompon'andraikitra... ♦ Tsy nisy ny aina nafoy momba ny fivoaran'ny Coronavirus. Valo ireo tranga vaovao voatily araka ny tatitra nivoaka androany...
• Fo sy fanahy no beazina eo amin'ny Sekoly Katolika, hoy i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana, nandritra ny fanokafana ny Taom-pianaran'ny Fanabeazana sy ny Sekoly Katolika... • Ny fitsanganan'i Jesoa ho velona no manafaka ny alahelo, ary mamerina indray ny hafaliana, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny fampianarany tamin'ny Audience Générale ny alarobia lasa teo...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco