Taorian'ny fitsanganany ho velona vao nanonona ny teny hoe "fiadanana" i Jesoa Kristy, fa talohan'izay dia tolona ho amin'ny tena fitiavana sy fahamarinana no nataony. Ny fiadanana tian'i Kritsy ampanjakaina eto an-tany dia araka ny fiheveran'Andriamanitra fa tsy ny hevitry ny olombelona. Katesizy momba ny fiaraha-monina sy ny fiadanana ety an-tany, iarahana amin'i P. Ramiandrasoa Jean Émilien Louis Marc.
♦ Ny fiarahan-dian'ny Eglizy sy ao amin'ny Eglizy no nivoitra nandritra ny "Symposium" ny 17 sy 18 febroary tao amin'ny théologat Faliarivo... ♦ Napetraka araka ny fomban'ny Eglizy ny 19 febroary 2023 ny filohan'ny Antilin'i Madagasikara tao amin'ny Diosezin'i Mahajanga... ♦ Fanamby maharitra amin'izao vaninandro iainantsika izao ny teknôlojia vaovao, hoy ny Papa François, tamin'ireo mpikambana ao amin'ny Akademia pontifikaly momba ny aina...
Nanomboka tamin’ny Konsily tao Vienne, France (1311-1312), faha-Papa Clémént V, dia nofoanana ny «Ordre» atao hoe «des Templiers» izay karazana moines sady miaramila mpiady, miaro ny Tany Masina sy nanohitra ireo fahavalon’ny finoana (izany efa nahazo fankatoavan’ny Papa ny 29 Mars 1139). Io Konsily io koa no nanameloka ny fahadisoan’ireo Beguards momba ny fampianarany mikasika ny fahalavorariana ara-panahy. Nambara mazava àry fa ny fanahin’ny olona dia isan’ny mandrafitra tokoa ny tenany sy miray tanteraka aminy (natao izany mba ho fanoherana an’i Pierre de Jean Olivi).
Alahady 19 febroary 2023 — Alahady Tsotra fahafito Mandavantaona — Taona A — Raha misy tia Ahy, hitandrina ny teniko izy, ka ho tian’ny Raiko; ary hankao aminy Izahay, ka honina ao aminy — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 5, 38-48)
Notendren’ny Papa Leon XIV ho Eveka mpandimby toerana (évêque coadjuteur) ao amin’ny Arsidiosezin’i Fianarantsoa i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, izay eveka mpanampy ao amin’ny Diosezin’i Morondava, ankehitriny.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco