Alahady faha-30 mandavantaona — D — Hohenoim-bavaka ny manetry tena ; Misaotra Anao aho, Raiko, Tompon’ny lanitra sy ny tany, fa nambaranao tamin’ny madinika ny tsiambaratelon’ny Fanjakanao. Izaho misaotra ny Tompo lalandava; ny fiderana Azy eo am-bavako hatrany. Ny Tompo hafinaretan’ny fanahiko: mandrenesa, ry ory, ka mifalia. Ny Tompo tezitra amin’ny olon-dratsy ka hahavery tadidy azy eto an-tany. Ny Tompo mihaino izay miantso Azy, ny ahiahiny rehetra ataony misava. Ny Tompo eo anilan’izay mijaly ary namonjy ny rera-tsaina. Ny fanahin’ny mpanompony avotan’ny Tompo; tsy mba hisy sazy ho an’izay mifefy aminy...
Ny "goitre" dia aretina iray miteraka olana amin'ny fitelemana sakafo, manimba ny feo, aretina mihombo tsikelikely. Ny fivontosana amin'ny vatan'ny tiroida, izay manimba ny ampahany anoloana amin'ny tendany. Ny tiroida no mpamokatra ny tsirimpanentana, ilaina miantoka ny fitempon'ny fo, fanodinana ny sakafo sy zavatra maro anatin'ny olombelona, fandanjalanjana ny hafanan'ny vatana... Fandaharana "Andriano ny fahasalamana", tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.
Notendren’ny Papa Leon XIV ho Eveka mpandimby toerana (évêque coadjuteur) ao amin’ny Arsidiosezin’i Fianarantsoa i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, izay eveka mpanampy ao amin’ny Diosezin’i Morondava, ankehitriny.
• Fo sy fanahy no beazina eo amin'ny Sekoly Katolika, hoy i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana, nandritra ny fanokafana ny Taom-pianaran'ny Fanabeazana sy ny Sekoly Katolika... • Ny fitsanganan'i Jesoa ho velona no manafaka ny alahelo, ary mamerina indray ny hafaliana, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny fampianarany tamin'ny Audience Générale ny alarobia lasa teo...
Notendren’ny Papa Leon XIV ho Eveka mpandimby toerana (évêque coadjuteur) ao amin’ny Arsidiosezin’i Fianarantsoa i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, izay eveka mpanampy ao amin’ny Diosezin’i Morondava, ankehitriny.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco