Dingam-piainana ho lalovan'ny ray sy reny ny ho zokiolona, voajanahary izany. Manana ny anjara toerany ny zokiolona ka isan'ny ireny : Manamora ny hanorenantsika ny ho avy. Mitahiry ny fahalalana toa ny soatoavina, ny finoana ny ray aman-dreny, manana andraikitra hananatra sy hizara fitiavana ihany koa. Manan-jo hisitraka fitiavana sy valim-babena ny ray aman-dreny, indrindra amin'ny fahanterany, mety ho latsakemboka na fananganana lalam-pihariana kely ahafahany miaina am-pilaminana.
♦ Hajoro eto amintsika manomboka izao ny antokon-draharaha hisahana ny fanagiazana ireo fananana azo avy amin'ny tsy rariny. Nitondra fanazavana momba izany ny Praiminisitra, androany... ♦ Feno 60 taona katroka androany, ny Polisim-pirenena. Hiroso amin'ny fanovan-drafitra koa ity sampana mitandro ny filaminana ity, manoloana ny ambana misy ankehitriny...
Aoka hiainantsika isan'andro ny teny famporisihana mba hahatonga antsika ho tompon'andraikitra ary ho tonga biriky handrafetana ny trano mampivoatra sy mampandroso ary mampivelatra. Fandraharana "Mba ho vanona" iarahana amin'i Jeneraly Désiré Philippe Ramakavelo.
Mba hazoana antoka fa mizotra araka ny tokony ho izy ny fianaran'ny ankizy na ny zanaka dia tokony halala ny fandaharam-potoanany ny ray aman-dreny. Ilaina ny fanakaikaizana ny zanaka amin'ny alalan'ny resaka ka hatomboka amin'izay tranga nahafinaritra azy. Hadihadiana tsara ny zanaka ny amin'izay mety ho namany, sao misy zavatra fanararaotra na tokony hohatsaraina. Beazina hanana fahatokisantena ny zaza...
• Fo sy fanahy no beazina eo amin'ny Sekoly Katolika, hoy i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana, nandritra ny fanokafana ny Taom-pianaran'ny Fanabeazana sy ny Sekoly Katolika... • Ny fitsanganan'i Jesoa ho velona no manafaka ny alahelo, ary mamerina indray ny hafaliana, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny fampianarany tamin'ny Audience Générale ny alarobia lasa teo...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco