♦ Hanampy antsika amin'ny fampandrosoana ny fitoriana ny Vaovao Mahafaly ny fiainana amim-pitokiana ny Tenin'Andriamanitra sy ny fitanana ny finoana, hoy i Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina... ♦ Nahatsiaro ireo rehetra nodimandry tao amin'ny fikambanana, ny fikambanan-drelijiozy Karma omaly... ♦ Nampahatsiahivin'ny Papa nandritra ny vavaky ny Angelus omaly, fa ny kristianina tsirairay dia voaantso hisehatra ho amin'ny mandrakizay...
Nankahery ny vahoaka mba hahay hifampihaino sy hifanampy ny Fivondronam-ben'ny Eveka eto Madagasikara, amin'ny hafatra vokatry ny fivoriam-be ara-potoana nataon'izy ireo ny 03 ka hatramin'ny 12 novambra 2021. Indro ny lahatsoratra feno momba izany, entin'i Mgr Gabriel Randrianantenaina, Evekan'i Tsiroanomandidy, Sekretera jeneralin'ny Fivondronam-ben'ny Eveka eto Madagasikara
Nitondra ny anjara biriky tamin'ny asa fampivoarana ny seha-pamokarana teny ambanivohitra ny Foibe FAFIALA. Hanamarika ny faha-30 taona nijoroany ity foibe manana ny foiben-teorana eny Ambohimangakely Antananarivo-Avaradrano amin'ny taona 2022...
Raha mivoatra ny teknolojia dia mivoatra miaraka aminy ihany koa ny paik'ady, entin'ireo mpanao ratsy. Hafatra ho an'ny ankizy dia hoe " ry ankizy liam-baovaoa, ny aterineto ampiasao saingy tandremo sao zava-doza ho anao" ry ray aman-dreny "aterineto malalaka, ray aman-dreny maharaka dia voaaro ny zanaka".
• Fo sy fanahy no beazina eo amin'ny Sekoly Katolika, hoy i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana, nandritra ny fanokafana ny Taom-pianaran'ny Fanabeazana sy ny Sekoly Katolika... • Ny fitsanganan'i Jesoa ho velona no manafaka ny alahelo, ary mamerina indray ny hafaliana, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny fampianarany tamin'ny Audience Générale ny alarobia lasa teo...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco