• Nampiato ny fitokonany androany ny Tambaben'ny Mpiasan'ny Jirama. Nanao fanambarana izy ireo fa vonona hihaona amin'izy ireo ny Filoham-pirenena, ka noraisina aloha izay fampiatoana ny fitokonana izay... • Mahatratra 73 % ny taham-piaboan'ireo olona mitondra ny tazomoka any amin'ny Distrikan'Ikongo. Efa misy fivoarany ny zava-misy any an-toerana, hoy ny Tale Jeneralin'ny BNGRC androany tamin'ny mpanao gazety... • Nampiharina tamin'i Da-Willy, ilay tovolahy nanolana zaza tsy ampy taona teny Imerintsiatosika, ny lalanan'ny famosirana. Navoakan'ny Fitsarana androany teny Anosy, ny didim-pitsarana manasazy ity tovolahy ity...
65 taona namerenana ny fahaleovan-tena ho an'ny Malagasy dia manalasala ihany. Raha oharina amin'ny fahaveloman'ny olona iray dia olona efa anatin'ny vanim-potoanan'ny maha ray aman-dreny, manana traik'efa sy afaka mampita soatoavina amin'ny manodidina sy ny ankohonana. Ny hoe "tanindrazana" dia tsy ilay tany ihany fa ny vohoaka eo aminy ihany koa. Fahaleovan-tena toy ny ahoana anefa no misy, ara-pifandraisana sy ara-piarovana, ara-toekarena? Ny fanatanterahana ny filan-kevitry ny ministra mitety Faritra dia taratry ny fahaiza-miaina... Fandaharana "mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
Ny zokiolona, vehivavy, dia efa miaina, tonga sy tafiditra amin'ny vanim-potoanan'ny fitsaharana. Rehefa miha mahazo taona ny vehivavy dia mihena tsikelikely ny ely, izay mampientana ny taovam-pananahana sy ny mahaolona, ary misy fiovana eo amin'ny vatana, ohatra mihamanify sy fotsy ny volo. Ny fiovana misy ety ivelan'ny vatana vehivavy zokiolona dia tsy aretina fa ara-boajanahary, anefa ireny mety hiteraka hitakika tsinahy... Fandaharana "Ampela Miary" tontosaina eto amin'ny Radio Don Bosco.
• Herinandro tao aorian'ny fitakiany, tsy afapo amin'ny valintenin'ny fitondrana ny tambaben'ny mpiara-miasan'ny Jirama. Hitokona izy ireo manomboka rahampitso, araka ny fanambarana androany... • Ben'ny Tanana miisa 45 aty amin'ny faritry ny Ranomasimbe Indiana no mivory eto an-drenivohitra. Mizara traikefa sy fahaiza-manao momba ny hetra sy ny fizakan-tena ary ny fampandrosoana ara-toekarena, eny anivon'ny kaominina izy ireo... • Efa miaina ny voka-dratsin'ny fiovan'ny toetrandro ireo kaominina manamorona ny lalam-pirenena fahatelo, ka nanangana tetikasa hiatrehana izany fiovan'ny toetrandro izany, miaraka amin'ny fikambanana samihafa ao aminy...
• Hotanterahana ny 14 hatramin'ny 18 septambra 2025, ny fiofanana iraisam-pirenena ho an'ny pretra aomonie sy ny mpitantana ara-panahy ny skoto aty Afrika... • Mankalaza ny faha-70 taona niorenany ny Masera Fo Madion'i Maria ao Antsiranana... • Hampitambatra sy hampiray ny finoana sy ny antokom-pivavahana, fa tsy hampisara-bazana, hoy ny Papa Léon XIV...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco