Ny teny ampiasaina ao amin'ny angano dia ireo mora takatra sy tsotra. Ny angano dia azo ampiarahina amin'ny fihetsika rehefa tantaraina ; ny renibe na ny reny no mpitantara angano. Ny angano dia mitory hanatra, maneho fitsipi-piainana, fanitsiana, fanakianana. Tantara foronina ny angano, mifandroy ny mpandray anjara ao anatiny ary mifanaraka amin'izany ny sehatra sy ny habaka itondrana ny tantara. Lahabolana mampiavaka ny Malagasy ny angano, karazana arofanina ho an'ny fiaraha-monina izy, manarina ny lesoka...
Eo amin'ny fotoana nomezan'Andriamanitra taranaka an'i Abrahama no nanomboka ny tantaram-pamonjena. Nino Abrahama, tsy nisalasala tamin'izay nolazan'Andriamanitra taminy, nampanantenain'Andriamanitra taranaka maro. Ankoatra an'i Isaaka dia nampanantenain'Andriamanitra fa ho tonga firenena lehibe ny fianakaviana Abrahama. Ny hoe "israely" manana tandrify hoe " combattant de Dieu"... Katesizy momba an'ny fanambaran'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
• Mibanjina, mitandrina ary mahafoy: izay no hafatra napetrak'i Mompera Rakotondranaivo José Gaston, Provinsialin'ny Fikambanana Salezian'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice, nandritra ny voady voalohany nataon'ireo frera miisa 13 mirahalahy avy eo anivon'ity fikambanana ity... • Notanterahana tao anatin'ny efatra andro ary nifarana omaly, ny “Festival de la diaconie de la beauté” sy ny “Foire du Diocèse vert”, tany amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana...
Alahady faha-23 mandavantaona — D : Izay tia mahafoy ; Izaho no Fahazavan’izao tontolo izao, hoy ny Tompo: izay manaraka Ahy no hanana ny fahazavan’ny fiainana. Na iza na iza tsy mahafoy izay rehetra ananany dia tsy mendrika ho mpianatro. Zara raha mahavinavina ny eto an-tany ny olombelona ; ary tsy maintsy misasatra vao mahita manoloana ny tenanay; tsisy hahatakatra izay any an-danitra, tsisy nahalala ny sitra-pon'Andriamanitra, raha tsy nomenao ny Fahendrena, sy nanirahanao ny Fanahy Masina avy any ambony...
• Mibanjina, mitandrina ary mahafoy: izay no hafatra napetrak'i Mompera Rakotondranaivo José Gaston, Provinsialin'ny Fikambanana Salezian'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice, nandritra ny voady voalohany nataon'ireo frera miisa 13 mirahalahy avy eo anivon'ity fikambanana ity... • Notanterahana tao anatin'ny efatra andro ary nifarana omaly, ny “Festival de la diaconie de la beauté” sy ny “Foire du Diocèse vert”, tany amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco