Zava-misy : mampiavaka an'i Madagasikara ny oratsimba (langouste) anatin'ny vanim-potoana fanjonoana azy ity ny faritra maro manerana ny nosy. Inona no tombony azon'ny mponina amin'ny faritra misy azy?. Fandaharana " zava-misy" iarahana amin'i Rasamimanana Marc.
Fizarana ny traik'efam-piainana niarahana tamin'i Gisela, mahakasika ny sinaodin'ny tanora, Sinaody ho fankalazana ny faha-200 taona ny nofin'i Don Bosco, izay natao tany Turin ny 11 hatramin'ny 16 Aogositra lasa teo... Fandarahana "onjam-panahy" iarahana amin'i Anna Domoina eto amin'ny RDB.
Fanandratana ny fahany ho amin'Andriamanitra na fangatahana Aminy ny soa sy ny tsara, ny vavaka. Mivavaka ny olona manontolo amin'ny alalan'ny fihetsika na teny fa eo koa ny fanahy na ny saina fa matetika indrindra ny fo. Ny vavaka kristianina dia fifandraisam-pifanekena eo amin'Andriamanitra sy ny olombelona ao amin'i Kristy. Asan'ny Trinite Masina ny vavaka... Katesizy momba ny "mivavaka amin'ny fiainana andavanandro", iarahana amin'i P. Raphaël Eugène Ralison.
I Nofy na Anjara dia tovovavy tsotra fiainana sy tsotra fitafy, mianatra eny amin'ny Université. Député ny Rainy, ary notezain'ny Reniny tany Ambanivohitra izy. Noho izany fahatsorany izany dia nohandroandroan'ireo mpiara-mianatra taminy izy hoe "tambawax", indrindra fa i Luck izay olona tiany mangina. Tsy fantatr'izy ireo anefa fa i Anjara izay nitondrany anarana hoe "Nofy" dia mpanoratra tononkalo, ary isan'ny mpankafy ny tononkalony sy ny boky nosoratany i Luck sy ireo namany...
Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2024 Radio Don Bosco