Misy ny fanabeazana azo hatao hisorohana ny lainga. Mba hisorohana ny lainga dia aporisihana hatrany ny olona heverina manao ilay lainga mba hanaporofo hatrany ny reseka hataony. Ny atao hoe lainga dia izay mifanohitra amin'ny marina. Ny lainga dia teny na fehezan-kevitra avoakan'ny vava. Fandaharana "ampela miary" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco
19 aprily 2023 — Alarobia, Herinandro faharoa Fankalazana ny Paka — Ry Jesoa Kristy, vavolombelona mahatoky, Lahimatoa amin’ny maty, tia anay Ianao sy nanasa ny helokay tamin’ny Ranao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 3, 16-21)
♦ Miofana eto an-drenivohitra mandritra ny telo andro, nanomboka androany, ireo vehivavy Ben'ny Tanana avy amin'ny faritra 14 eto amin'ny nosy... ♦ Nosokafana tamin'ny fomba ôfisialy androany, ny Mozea Rainilaiarivony. Toeram-ponenany teny Amboditsiry, fony izy Praiminisitra... ♦ Nanaovana tombana nandritra ny roa andro, ireo karazam-boky miisa 56 ampiasain'ny mpianatra any amin'ny amabratonga fototra voalohany sy faharoa. Boky ampiasaina any amin'ny firenena miisa enina aty Afrika sy Madagasikara...
Ny vodiondry dia fanajana ny ray aman-drenin'ny vehivavy sy fanomezam-boninahitra. Fomba malagasy hanamarihana ny fifamatorana ara-panambadiana. Ireo dingana hatao hatanteraka ny vodiondry tamin'ny fomba malagasy dia : voalohany indrindra ny fanapahan-kevitry ny lahy sy ny vavy hifanambady, faharoa dia ny Fitadiavana andro tsara hanatanterahana ny fomba, fahatelo dia ny fiantranoana na fihaonana amin'ny fianakaviana izay misy kabary, ary fahaefatra farany dia ny fanatanterahana ny vodiondry. Ny fotoana fanatanterahana ity fomba ity dia matetika amin'ny volana mifanandrify amin'ny tonom-bitana : Alahamady, Asorotany, Alahasaty ary ny Asombola ; ho an'ireo maty vady te hanorona tokantrano kosa dia ny Alakaosy...
Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2024 Radio Don Bosco