♦ Baolina kitra : nirava ady sahala, samy tsy nisy nitoko tany Toamasina ny Barean'i Magasikara sy Niger. Tsy tafakatra handray anjara amin'ny CAN 2022, hatao any Cameroun, i Madagasikara... ♦ Mihamahery vaika ny valan'aretina Covid-19, ka nanentana ny Malagasy hanamafy hatrany ny fitandremana ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, na ny FFKM...
Alahady 28 marsa 2021 — Fandinihana ny fijalian'ny Tompo — Ho antsika, dia nanolo-Tena i Krisy hanaiky hatramin’ny fahafatesana, dia fahafatesana tamin’ny Hazofijaliana. Ho valin’izany kosa, dia nasandratr’Andriamanitra ambony indrindra Izy: ary nomeny Anarana mihoatra ny anarana rehetra — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 15, 1-39
Tamin'ny 24 marsa 2021 no andro maneran-tany hiadiana amin'ny raboka. Ity farany dia aretina mifindra amin'ny alalan'ny piti-drora avy amin'ny olona mitondra ny otrik'aretina. Ny fambara mety hiseho dia koho-davareny mandritra ny roa herinandro, mihamahia, misy hafanana, misy rehoka fa tsy maintsy manao fitiliana mba hamatarana ny tena aretina marina sao fambaran'aretina hafa mihitsy...
♦ Sivy ireo matin'ny Coronavirus, raha ny tatitry ny Ministeran'ny Fahasalamam-bahoaka, androany... ♦ Ho fantatra tsy ho ela, hoy ny Praiministra, ny karazam-bakisiny hafaran'i Madagasikara... ♦ Miakatra hatrany ny tahan'ny fandoavan-ketran'ireo orinasa, raha ny tatitra nentin'ny Foibem-pitantanana ankapoben'ny hetra, androany...
• Hotanterahana ny 14 hatramin'ny 18 septambra 2025, ny fiofanana iraisam-pirenena ho an'ny pretra aomonie sy ny mpitantana ara-panahy ny skoto aty Afrika... • Mankalaza ny faha-70 taona niorenany ny Masera Fo Madion'i Maria ao Antsiranana... • Hampitambatra sy hampiray ny finoana sy ny antokom-pivavahana, fa tsy hampisara-bazana, hoy ny Papa Léon XIV...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco