Ao anatin' ny fo no tena mandrindra ny fiainana ary mibaiko misimisy kokoa ny fitiavana. (05-05-2021)
Manentana ny kristianina rehetra maneran-tany ny Papa François amin'ity volana mey ity hanandratra vavaka miaraka amin'i Masina Maria, mba hitsahatra ny valanaretina Covid-19. Izao fitsapana izao no hanehoantsika ny finoantsika tsy azo hozongozonina
Rehefa miresaka ny hoe toe-tsaina fototra entina miatrika ny fiainana dia matetika izay mahakasika ny tena manokana hatrany no tonga ao an-tsaina. Tsy azo lazaina ho mivelatra tanteraka anefa ny olona iray, na atao hoe mahomby amin'ny lafiny rehetra aza, nefa manana disadisa eo amin'ny fiaraha-monina. Mitaky finiavana sy fandavan-tena lehibe, noho izany, ny ezaka hahazo ny hafa, izay tsy maintsy fantarina amin'ireo lafiny dimy maha olona. Dingana voalohany amin'izany ezaka izany ny fifehezan-tena tsy hitsaratsara foana.
Alarobia 5 mey 2021 — Herinandro fahadimy fankalazana ny Paka — Ny ondriko mihaino ny feoko, hoy ny Tompo. Izaho mahalala azy, ary izy manaraka Ahy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 15, 1-8
• Hotanterahana ny 14 hatramin'ny 18 septambra 2025, ny fiofanana iraisam-pirenena ho an'ny pretra aomonie sy ny mpitantana ara-panahy ny skoto aty Afrika... • Mankalaza ny faha-70 taona niorenany ny Masera Fo Madion'i Maria ao Antsiranana... • Hampitambatra sy hampiray ny finoana sy ny antokom-pivavahana, fa tsy hampisara-bazana, hoy ny Papa Léon XIV...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco