Alarobia 9 jona 2021 — Herinandro fahafolo mandavataona — Alao tampina ny masoko, ry Tompo, hibanjina ny zava-mahagaga amin’ny lalànao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 5, 17-19
♦ Miabo ny zava-bitan'ny Governemanta nandritra ny tao 2020 sy ny tapany voalohany amin'ity taona 2021 ity, na teo aza ny valan'aretina Covid-19 sy ny krizy naterany. Samy nanambara izany androany na ny Praiminisitra na ny Minisitra nandaha-teny nanoloana ny Solombavam-bahoaka... ♦ Niampy dimy indray ireo marary lavon'ny Coronavirus teto Madagasikara, araka ny tatitra navoakan'ny Ministeran'ny Fahasalamam-bahoaka. Niisa 16 ireo voamarina fa mitondra ny tsimok'aretina tamin'ny fitiliana 587 natao...
Alahady 6 jona 2021 — Ny Vatana aman-dRà Masin'i Kristy — Izaho no Mofo velona izay nidina avy any an-danitra, hoy ny Tompo: izay mihinana amin’ity Mofo ity dia ho velona mandrakizay — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 14, 12-16. 22-26
♦ Notsipahan'ny RMDM ilay lalàna vaovao mifehy ny mpanohitra vao nolanian'ny Parlemanta farany teo. Nanao fanambarana teny Bel-Air izy ireo androany, nilaza fa tsy manaraka ny voalazan'ny Lalam-panorenana io lalàna io... ♦ Nisokatra manomboka androany ny fitaterana olona amin'ny zotra nasiônaly sy zotram-paritra. Nananika ny 5000 isa ireo mpandeha niainga ho an'ny teny amin'ny Gare Maki Andohatapenaka fotsiny...
• Hotanterahana ny 14 hatramin'ny 18 septambra 2025, ny fiofanana iraisam-pirenena ho an'ny pretra aomonie sy ny mpitantana ara-panahy ny skoto aty Afrika... • Mankalaza ny faha-70 taona niorenany ny Masera Fo Madion'i Maria ao Antsiranana... • Hampitambatra sy hampiray ny finoana sy ny antokom-pivavahana, fa tsy hampisara-bazana, hoy ny Papa Léon XIV...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco