Raha mivoatra ny teknolojia dia mivoatra miaraka aminy ihany koa ny paik'ady, entin'ireo mpanao ratsy. Hafatra ho an'ny ankizy dia hoe " ry ankizy liam-baovaoa, ny aterineto ampiasao saingy tandremo sao zava-doza ho anao" ry ray aman-dreny "aterineto malalaka, ray aman-dreny maharaka dia voaaro ny zanaka".
Teny manambara finoana, fahatokisana, fahavononana hiroso ny teny hoe : "eny", ka vonona hanakambana ny fiainana amin'ny sitrapon'Andriamanitra ny tanora manao "eny" eo am-pirosoana amin'ny ho aviny. Sahia miroso, matokia ny hery omen'Andriamanitra. Katesizy momba ny eny amin'ny fahasahiana hanorina ho avy, iarahana amin'i P. Ratovonjanahary Jean Luc.
♦ Antsasak'adiny mahery izay no mizotra any Cotonou ny lalao eo amin'i Bénin, mpampiantrano sy ny Barean'i Madagasikara... ♦ Naiditra am-ponja vonjimaika ireo miaramila 12 lahy voasaringotra amin'ilay raharaha famonoana tovolahy kely tetsy amin'ny BANI Ivato. Nanazava ny momba ity raharaha ity androany, ny Minisitry ny Fitsarana... ♦ Handatsahana orana artifisialy ny tananan'i Fianarantsoa, noho ny olana amin'ny famatsiana rano any an-toerana. Feno nanomboka androany ny fepetra ho amin'izany, hoy ny eo anivon'ny Minisiteran'ny Rano...
Ny fifanampiana izay endriky ny fanehoana fitiavana dia tsy eo amin'ny olon-droa fotsiny ihany, fa eo amin'ny sehatra samihafa. Ny zavatra atao am-pitiavana tsy maintsy misy vokatra tsara. Fandraharana "Mba ho vanona" iarahana amin'i Jeneraly Désiré Philippe Ramakavelo.
• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco