Alahady faharoan'ny Paka sady alahadin'ny famindram-pon'Andriamanitra : mahery ny finoana omban’ny fanantenana sy fitiavana ; nino ianao, ry Tômà, satria nahita Ahy, fa sambatra izay tsy nahita ka nino. Isika Kristiana dia mitovy amin'ny Thomas, indraindray isika dia tsy mbola matotra amin'ny finoana, sarotra ho antsika ny mino tanteraka ny tenin'Andriamanitra. Ny toetra nananan'i Thomas amin'ny finiavana handalina ny marina momba ny finoana no tokony ho amin'ny kristiana ka mba hazoto handalina ny finoana amin'ny alalan'ny katesisy... Ilana ezaka maro ny maha olom-pinoana...
♦ Notanterahana ny 2 sy ny 3 aprily 2024, teny amin'ny Episcopat Ambatoroka, ny asa famondronana ny hevitra avy amin'ny Diôsezy, famaliana ireo fanontaniana nivoitra tamin'ny Sinaodin'ny Eveka, andiany voalohany, natao tany Rôma ny volana ôktôbra 2023... ♦ Manatanteraka ny “Chapitre Provincial”, andiany faha-11, ety amin'ny Miason Don Bosco Ivato, nanomboka ny alarobia 3 aprily 2024, ny fikambanan-drelijiozy Salezianin'i Don Bosco...
♦ Nangataka ny hanoloana an-dRamatoa Isabelle Delattre, Masoivohon'ny Vondrona Eorôpeana miasa eto Madagasikara, ny fanjakana Malagasy, araka ny navoakan'ny gazety iray atsy Afrika... ♦ Miahiahy amin'ny ain-dRamatoa Christine Razanamahasoa ny fikambanana BAM. Tsy fantatra mazava ny toerana misy ity Filohan'ny Antenimieram-pirenena teo aloha ity, tao aorian'ny didin'ny HCC, hoy izy ireo androany... ♦ Niakatra ho 20% ny TVA alain'ny fanjakana amin'ireo orinasa amin'ny fifandraisan-davitra. Io no mahatonga ny saran'ny Internet eto amintsika ho lafobe, hoy ny mpiaro ny zon'ny mpanjifa...
♦ Nitombo avo roa heny ny isan'ireo niditra teny amin'ny Hôpitaly Ravoahangy Andrianavalona, nandritra ny andron'ny Paka sy ny omaly alatsinainin'ny Paka. Nitombo toa izany koa ireo naratra vokatry ny lozam-pifamoivoizana, hoy ny Seraseran'ny HJRA... ♦ Mbola miaina fanilikilihana eo anivon'ny fiaraha-monina sy an-tsekoly ireo manana toe-batana “autiste”. Nomarihana androany ny andro eran-tany ho an'ny zon'izy ireo... ♦ “Zandarimaria MAFI”, izay no lohahevitra voizina mandritra ny ny fanamarihana ny Andron'ny Zandarimaria, nanomboka androany...
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco