Ny fahombiazana dia miainga amin'ny fanadiovana ary ny fanarenana marina dia ny tsy fiankinana amin'ny tsindry aloka avy any ivelany na ireo Malagasy mpambotry sy mpangorin-karena, mpanao ampihimamba fahefana. Ho fanavaozana ny firenena dia ilaina ny firaisan-kina, ny fahavonona, ary ny fanapahan-kevitra matotra. Ny tena ray aman-dreny dia ireo izay mitsinjo ny ho avin'ny taranany. Ny fisokafana sy fiaraha-miasa amin'ny hafa dia harena lehibe afahana mampandroso ny tena sy ny firenena... Fandaharana "Mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
Ny fanabeazana dia miainga amin'ireo ray aman-dreny, mpanabe tompon'ny fahalalana, fahendrena ary ny fahamarinana. Ny olombelona dia efa manana ny maha izy azy, vatana, fo, saina ary fanahy, etsy ankilany anefa ny adidy sy andraikitry ny ray aman-dreny sy ny mpanabe ny mampivelatra kokoa ireo singa samihafa ireo. Ny haino aman-jery dia manana anjara biriky goavana amin'ny lafiny fanabeazana ; anefa ilaina ny fandraisan'andraikitry ny ray aman-dreny noho ny fahasamihafana sy fihamaroan'ny fomba fanabeazana misy, indrindra manoloana ny fandrosoan'ny teknôlojia ankehitriny... Fandaharana "Ampela Mihary" tontosaina eto amin'ny Radio Don Bosco.
Manana ny fomba mampiavaka azy ny foko Vezo, isan'izany ny "soron'anaka" fomba iray afahan'ny ray hanana fahefana amin'ny zanaka vavy. Misy karazany telo ilay fomba araka ny tranga misy, raha mbola anaty vohoka dia Soron-troka, raha efa tekaraka dia soron'anaka, fa kosa rehefa mahaleo tena (lehibe) dia soro-bata no ilazàna azy. Ny toerana fanaovana ity fomba ity dia eny amin'ny mpitan-kahomanga ; ity fomba ity dia heverina manankery ho an'iny zanaka vavy maro, iray reny, rehefa vita fomba ny iray voalohany. Ny soron'anaka dia azon'ny ray, ny anadahin-dreny na ny raibe tontosaina amin'ny zanaka vaviny...
Ny tsy fifandanjana eo amin'ny fiaraha-monina dia miteraka alahelo sy tebiteby ho an'ny marefo sy ireo tra-pahoriana, fikorontanana ara-tsôsialy sy ady eo amin'ny olona sy ny firenena, fahasahiranana amin'ny fanatanterahana ny soatoavina maha-olona. Ny Fiangonana dia manana andraikitra amin'ny fampahatsiahivana ny maha-zava-dehibe ny rariny sy ny firaisankina ary ny fanampiana ireo marefo... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy "Gaudium Et Spes iarahana amin'i P. Germain Thierry Randriamiarantsoa.
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco