Ilaina eo amin'ny fiainana ny fitiavana sy ny fahamarinana ary ny fifampitokisana. Ireo telo ireo no mitondra ho amin'ny fahatsaram-piainana. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'ny jeneraly Ramakavelo Désiré.
♦ Nankatoavin'ny Papa François ny fangatahan'ny Arsevekan'Antananarivo, hitsahatra amin'ny fitantanana ny Diôsezin'Antananarivo ; ka notendren'ny Ray masina handimby azy, i Mgr Jean de Dieu Raoelison... ♦ Notontosaina omaly ny fizakana ny Seminera Zandriny Ambohipo, ary nanentana ny kristianina rehetra izy ireo, fa maro tokoa ny ezaka izay hatao amin'ny fanabeazana ireo izay ho pretra rahatrizay... ♦ Hotanterahana ny alahady ho avy izao ny fankalazana iombonana ny Sakramenta Masina, eto amin'ny Diôsezin'Antananarivo, eo amin'ny Kianjan'i Masina Misely Amparibe...
Nankatoavin’ny Papa François ny fangatahan’i Mgr Odon Marie Arsène Razanakolona hitsahatra amin’ny fitantanana ny Arsidiôsezin’Antananarivo ary notendrena handimby azy i Mgr Jean de Dieu Raoelison, Evekan’Ambatondrazaka.
♦ Mirary soa sy mankahery ny ankizy manerana ny Nosy noho ny fankalazana ny volan'ny ankizy ny Aomônie Nasionalin'ny Vovonam-pirenena Katôlikan'ny Ankizy, P. Rodolphe Rafenoarisoa... ♦ Nanentana ny mpino hahay hifampihaino sy hifanompo i Mgr Jean Pascal Andriantsoavina, tamin'ny famaranana ny volan'i Masina Maria, ny 31 mey 2023... ♦ Nomarihana tao Antanimalandy Mahajanga, tamin'ny alahadin'ny Pantekôty ny faha-320 taonan'ny Fikambanana "Spiritains"...
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco