Volana jona : volan'ny ankizy. 12 jona : Andro iraisam-pirenena iadiana amin'ny fampiasana zaza tsy ampy taona. Ho antsika eto Madagasikara dia ankizy efatra ao anatin'ny folo no efa niditra tamin'ny sehatry ny asa mialoha ny faha-18 taonany, araka ny fanadihadiana nataon'ny UNICEF. Sahiran-tsaina ny ray aman-dreny amin'ny fitaizana ny zanany, indrindra eo amin'ny fampifandanjana ny fisitrahan'ny ankizy ny zony sy ny fanabeazana tsy maintsy omena azy ireo.
• Henjehina avokoa manomboka izao ireo “trondro vaventy” ka nanao fanaparam-pahefana naka harem-pirenena, hoy ny Minisitry ny Fitsarana, androany... • Hodinihina ny tolo-kevitra hanafoanana ilay hetra momba ny fiara sy ny moto, anatin'ny fanitsiana ny tetibolam-panjakana, hoy ny Filohan'ny Antenimieram-pirenena, androany. Niteraka resabe ny momba io hetra io... • Niakatra 20 % ny tahan'ireo ankizy mamerin-taona teny anivon'ny sekoly ambaratonga fototra, tato anatin'ny telo taona farany, araka ny sampan-draharaha mpandrindra ny sehatry ny fanabeazana, na ny CELCO...
Ny fahafantarana ny tantara dia isan'ny kitro ifaharan'ny Firenena sy ny fampandrosoana. Ezaka tsara tokony hatao ny fampidirana eny amin'ny sehatry ny fanabeazana sy ny fampianarana ny fampahafantarana ny tantaran'ny Firenena. Ny fananganan-tsaina dia mariky ny fahaleovan-tena, anefa isika ihany no tompon-tsafidy farany, na tena hiaina fahaleovan-tena tena izy isika na mbola hiankin-doha amin'ny hafa hatrany. Ny fifanajana sy ny fanajana dia fahendrena Malagasy, fototry ny fitiavana ary mahatsara ny rafi-piaraha-monina... Fandaharana "Mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
• Miezaka mampiroborobo hatrany ny lalam-pihariana volibe na bambou eto Madagasikara, ireo mpisehatra aminy. Fanamby hotratrarina amin'ny tetikasa vaovao ny fanomezana lanja ny indostria ho an'ny volibe. Mamatsy vola ny tetikasa ry zareo Sinoa... • Haka ny hevitry ny olom-pirenena momba ny fanatsarana ny drafi-panajariana an-tanandehibe manerana an'i Madagasikara, ny minisitera tompon'andraikitra. Fihaona hotanterahana ny 11 sy ny 12 jona 2026, eny amin'ny tanana Voara Andohatapenaka... • Miditra amin'ny andiany faha-8 ny Rallye Jovena ankehitriny. Hotanterahana ny 19 hatramin'ny 21 jona 2026 eny Amoronakona. Mampiavaka ity andiany ity ny fiverenan'ny orinasa Jovena hanohana ny hetsika rehefa nisy fiatoana kely izany teo aloha...
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco