Iza aho? Tanora mitady ny maha-izy azy, miresaka safidy, soatoavina ary ny anjara toeran'ny finoana amin'ny fiainana. Fanontaniana fototry ny fananganana ny maha-olona. Miresaka ihany koa ny mety ho sakana tsy afahana mahafantatra ny maha-izy ny tena. Fotoana iray, hifampizarana andram-piainana mahafinaritra kely. Tsara ny hanana olona azo tahafina amin'ny fiainana, eny, hanao tantsoroka amin'ny fiainana... Fandaharana "Miaina - Mitia" tontosaina eto amin'ny Radio Don Bosco.
Tamin'ny alalan'ny Teny no naharian'Andriamanitra izao tontolo izao sy ny zava-misy ao aminy. Mbola io Teny io no Tonga Nofo ka nonina teto an-tany dia i Jesoa Kristy, ilay olombelona lavorary indrindra ary niditra tao amin'ny tantaran'izao tontolo izao izy, mba hamerina ny hasin'ny maha-olombelona izay simban'ny fahotana... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy "Gaudium Et Spes " Ny asan'ny olombelona eo amin'izao tontolo izao" iarahana amin'i P. Avellin Ravelonanosy.
• Haroso amin'ny volana mey ho avy io ny fanombohan'ny Fikaonandoham-pirenena. Miantso ireo mpisehatra rehetra ho vonona amin'izany ny Minisitra Misahana ny Fanavaozana... • Miandry Filankevi-panjakana na mbola manohy ny asany na miala ihany koa ireo Mpanolotsain'ny Tananan'Antananarivo, miisa 55. Nanazava ny momba izany androany, Andriamatoa Toavina Ralambomahay... • Mitaky ny hanovana ny lalana mifehy azy, ireo mpivarotra sy mpaninjara fanafody ara-dalana. Karazam-panafody 183 isa ihany hatramin'izao no azon'izy ireo amidy...
Manana ny mampiavaka azy i Madagasikara, isan'izany ny harena voajanahary, an-kibon'ny tany, an-tanety, an-dranomasina, ny ara-kolontsaina. Harem-bakoka ara-kolontsaina tsy azo tsapain-tanana manana ny toerany ny TSAPIKY, hatarafana soatoavina maro : firaisan-kina, fihavanana. Vokatry ny hetsika sy fanehoana fahaiza-manao ary fifanankalozana traik'efa aminà hetsika samihafa dia velona ny fanantenana amin'ny fampandrosoana ny firenena ; andeha hifanentana amin'ny mpandraharaha mba hampiasan'izy ireo vola eto Madagasikara ho tombontsoan'ny Malagasy... Fandaharana "Mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
• Notanterahina ny 16 jolay 2026 tao amin'ny Katedraly Kristy Mpanjaka Miarinarivo ny fanaovam-beloma farany an’i Mgr Raymond Julien Razakarivony... • Afafy ka meva ny finoana, io no sori-dalana pastoraly natolot’i Mgr Jean de Dieu Raoelison ho an’ny Arsdiosezin’Antananarivo... • Nosoniavina ny 16 jolay 20026 ny “Déclaration de Rome” momba ny fandraisana andraikitra manoloana ny fitaovam-piadiana nokleary sy ny saina voatran'olombelona...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco