Alahady faha-19 mandavantaona — B : Ilàna finoana ny Eokaristia ; Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana, hoy ny Tompo; tsy misy olona mankany amin’ny Ray afa-tsy amin’ny alalako. Tahaka ny niainan'i Elia nandositra ny hatezeran’i Jezahela, dia ilaina ny finoana sy ny fahatokisana an'Andriamanitra, tamin'izany izy dia nahazo vatsy nahafahany namakivaky tany an'efitra, 40 andro sy 40 alina ; noho ny hery azony tamin’izany hanina izany, dia niakatra ny tendrombohitr’Andriamanitra izy. Nisalasala tamin'ny tenin'i Jesoa ny Jody, raha nilaza hoe Izaho no mofo velona izay nidina avy any an-danitra”. Hoy izy ireo: “Moa tsy i Jesoa zanak’i Jôsefa va ity, izay fantatsika ny rainy aman-dreniny?. Mitaky finoana ny Eokaristia...
♦ Mpikambana avy amin'ny AFAFI/FET miisa 7.198 no hiatrika ny Kôngresy Eokaristika sy ny Fihaonambe Nasiônaly, izay hotanterahana any amin'ny Arsidiôsezin'Antsiranana. Miisa 15.000 kosa ireo mpizaika avy amin'ny Diôsezy isan-tsokajiny, ho tonga hanatrika ny Kôngresy Eokaristika Nasiônaly, ny 23 hatramin'ny 25 aogositra 2024... ♦ Feno 25 taona katroka ny Diôsezin'Ambositra. Ankalazaina amin'ny fomba manetriketrika izany, nanomboka androany... ♦ Nanavao ny antsony ny Papa François tamin'ny famaranana ny Audience générale tao amin'ny Efitrano Paul VI, tamin'ny alarobia teo...
♦ Efa ôfisialy fa ny 11 desambra 2024 no daty hanatanterahana ny fifidianana Ben'ny Tanàna sy Mpanolotsaina eto amintsika. Nankatoavina ny didim-panjakana fiantsoana ny mpifidy amin'izany fifidianana izany... ♦ Hiaka-dapa eny Tsimbazaa rahampitso ny Praiminisitra, hanolotra ny fandaharan'asany ho fampandrosoana ny firenena... ♦ Mbola mitohy ny fitokonana faobe ataon'ireo mpiasan'ny FOFIFA manerana ny nosy, hitakiana ny fialan'ny Tale Jeneraly. Tsy manao afa-tsy fiandrasan-draharaha izy ireo hatramin'ny androany...
♦ Manentana ny mpino rehetra hivavaka ho an'ny mpitondra ara-pôlitika, ny Papa François, ao anatin'ilay vavaka fangantahana ampanaoviny isam-bolana... ♦ Tontosaina eny amin'ny Déhoniens Ambolonkandrina, ny fihaonan'ireo lehibem-pikambanana ao anatin'ny Congrégation Spiritain, ho an'i Afrika sy ny Ranomasimbe Indiana... ♦ Tsy mahafeno ny fiainana ny zavatra materialy, hoy ny Papa François, nandritra ny vavaka Angelus omaly...
• Notanterahina ny 16 jolay 2026 tao amin'ny Katedraly Kristy Mpanjaka Miarinarivo ny fanaovam-beloma farany an’i Mgr Raymond Julien Razakarivony... • Afafy ka meva ny finoana, io no sori-dalana pastoraly natolot’i Mgr Jean de Dieu Raoelison ho an’ny Arsdiosezin’Antananarivo... • Nosoniavina ny 16 jolay 20026 ny “Déclaration de Rome” momba ny fandraisana andraikitra manoloana ny fitaovam-piadiana nokleary sy ny saina voatran'olombelona...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco