Nivavaka sy naneho ny fiombonam-pony amin'i Albanie ny Papa taorian'ilay horohorontany nahazo an'io firenena io, ny alin'ny alatsianiny hifoha talata lasa teo.
Vahinin'ny Papa François tao Vatican, omaly alakamisy ny filohan'ny repoblikan'i Estonie, ramatoa Kersti Kaljulaid. Nihaona tamin'ny sekreteram-panjakana misahana ny fifandraisana amin'ny firenen-kafa, Monseigneur Gallagher, izy avy eo.
Iza moa no tsy hazoto hivavaka. Iza no tsy te ho any am-piangonana. Fa rehefa tonga any dia misy ihany anefa ny maningana. Ho itanao ato anatin'ity vidéo fohy ity ireo fihetsika tsara ialàna rehefa mivavaka.
Ny teny famporisihana dia fanehoam-pitiavana, ary ny fitiavana dia manova zavatra lehibe. (21-11-2019)
• Nankalazaina omlay alahady ny Jobily faha-25 naha Eveka sy ny faha-40 taona naha Pretra an'i Mgr Zygmunt Robaszkiewicz, Evekan'i Mahajanga... • Hanatanteraka fampiofanana ho an'ireo handimby toerana ny Birao Nasionaly, ny avy eo anivon'ny MDMK/CVX, amin'ity volana septambra ity... • Relijiozy Seleziana Don Bosco miisa 15 no manaraka fiofanana any Roma, hanao misionera...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco