♦ Hotanterahana ny 16 desambra izao ny fianiannan'ny filohan'ny repoblikan' i Madagasikara Andry Rajoelina... ♦ Mbola nanamafy ny ahiahiny amin'ny hisian'ny korontana ateraky ny tsy fitoviam-pijery ny vondron-kery nanohitra ny fifidianana natao farany teo, ka miantso fihaonana an-tampony... ♦ Samy nifarana teo amin'ny manasa-dalana ny dian'ny Ankoay Vehivavy sy ny lehilahy nandritra ny fiadiana ny amboaran'ni Afrika eo amin'ny taranja Basket bal, lalaovin'olona telo... ♦ Mbola miantso ny hamerenana ny fampitsaharana ny ady ifanandrin'Israely sy ny Hamas hatrany ny Papa François...
Ny vatsim-panahy dia fandalinam-pinoana sy hizarana sori-dalana pastoraly. Tsy misy olona mamonjy tena samirery fa miara-dalana. Taona litorjika vaovao indray no atolotry ny Eglizy hiainantsika dia ny "fiavian'ny Tompo". 28 andro no hiomanana amin'ny noely izay fiavian'ny Tompo. Ny Evanjely vakiana amin'ny alahady voalohany amin'ny fiaviana dia milaza ny fotoana hatongavan'i Jesoa eo anivon'ny olona indray, ka ny toetra tokony hananana hiatrehana izany no resahina betsaka ao : miambena izay midika hoe mivonona ara-panahy...
♦ Mitondra ny akon’ny Sinaodin’ny Eveka, Eglizy miara-dia, i Mgr Jean Pascal Andriantsoavina… ♦ Mitodika bebe kokoa amin’ny olona manana fahasembanana ny vavaka iarahana amin’ny Papa François amin’ity volana ity… ♦ Nosokafana omaly 30 nôvambra tao Dubaï ny COP andiany faha-28...
Fantaro hoe : inona no safidinao eo amin'ny fiainana. Ny safidinao no hitondra fiadanam-po, fiadanan-tsaina, fiadanam-panahy. Ny safidy no mampivelatra sy mampisondrotra ary manatsara ny fiainana ho avy. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
• Notendren'ny Papa Léon XIV ho Eveka Mpanampy ao amin'ny Arsidiosezin'i Toamasina i Mompera Mariusz Kasperski, Curé an'ny Fiangonana Masindahy Eugène de Mazenod ao Toamasina... • Diakra 11 no hamasinina ho pretra eto amin'ny Arsidiosezin'Antananarivo, ny sabotsy 22 aogositra 2026... • Hotanterahina ny 26 hatramin'ny 29 aogositra 2026 ny “Camp vocationnel” ho an'ireo tovolahy, karakarain'ny pretra Carmes de Marie Immaculée...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco