• Hamoaka vola taratasy vaovao ny Fanjakana. Nilaza ny Banky Foiben'i Madagasikara fa tsy misy ifandraisany amin'ny fakan-kevitra faobe ny momba ny ho avin'ny vola malagasy... • Vinavinaina hiakatra 5,1 % ny fitomboan'ny harinkarena faoben'ny firenena amin'ny taona ho avy, araka ny voarakitry ny volavolan-dalana mifehy ny tetibolam-panjakana taona 2027... • Ahiana hiteraka fifandonana ny fitrandrahan'ireo teratany Sinoa volamena any amin'ny Distrikan'i Tsaratanana. Miantso ny Fanjakana handray andraikitra, dieny izao, ny solontenan'ny mponina any an-toerana...
Mba hiomanana sy hanomanana ny tanora sy izay ho tompon'andraikitry ny firenena amin'ny ho avy tsara kokoa dia tsara ny hanaovan'ny mpianatra sy ireo mpikaroka eny anivon'ny Anjerimanontolo, fikarohana sy boky fanohanana hevitra manodidina ny dinam-piaraha-mitantana izay efa nisy. Miainga amin'ny olona 2 ny fiaraha-mitantana ary fototra mahamafy orina izany ny toe-tsaina. Ny DINA dia hajain'ny Malagasy kokoa miohatra amin'ny lalàna, satria niorina tamin'ny fifanakalozan-kevitra, fifampiresahana, fifanajana, ahitana taratra fiombonana... Fandaharana "Mba ho vanona" iarahana amin'ny Jeneraly Désiré Ramakavelo...
Ny zava-misy ankehitriny dia maro ny tanora, mbola tsy nihomana amin'ny fanabeazana ny zanaka sy ny fiahiana ny ankohonana, izany hoe ny sehatra maha ray aman-dreny, anefa tena mitondra any amin'ny faharavan'ny ho avin'ny zanaka ny fahadisona ataon'ireo ray aman-dreny. Maro ny tsara ho fantantra manodidina ny fampihantana zanaka ary misy voka-dratsiny; ny fampihantana dia mety ho tsy famelana ny zanaka hisitraka araka ny maha-izy azy, isaky ny taona lalovany, ankoatra ny fanarahana ny sitrapony... Fandaharana "Ampela Mihary" tontosaina eto amin'ny Radio Don Bosco.
• Mitaky ny hanalana ireo tompon'andraikitra tsy mahomby amin'ny fitantanan-draharaham-panjakana, ny Filohan'ny Antenimieram-pirenena. Nanomboka androany ny fivoriana ara-potoana faharoan'ity andrim-panjakana mpanao lalàna ity... • Nanome baiko ny hanoloana ireo ekipa miasa etsy amin'ny seranam-piaramanidina Ivato, ny Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblika. Naneho ny alahelony izy androany, fa lasa toerana ivoahan'ny harem-pirenena an-tsokosoko ny seranana eny Ivato... • Efatra andro aty aoriana, tsy misy mangirana ny tohin'ny fanadihadiana momba ilay lozam-pifamoivoizana nitranga teny amin'ny lalam-baovao mampitohy an'Andranotapahana sy Ivato. Nitafa tamin'ny mpanao gazety ny fianakavian'ireo niharam-boina sy ny tompon'ilay fiara Renault Express...
• Tontosa ny alakamisy 15 ôktôbra 2026 tany amin'ny Diosezin'Ambositra, ny fanokafana amin'ny fomba ofisialy ny Taom-pianarana 2026-2027 eo anivon'ny Sekoly Katolika manerana an'i Madagasikara... • Hotontosaina ny 8 nôvambra 2026 ny fanamasinana ho Eveka an'i Mgr Mariusz Kasperski, Eveka Mpanampy ao amin'ny Arsidiôsezin'i Toamasina... • Nisaotra ireo mpino nivavaka ho azy tamin'ny fandidiana azy ny Ray masina, nandritra ny Angelus omaly...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco