Ny omby noho ny hasiny teo amin'ny Ntaolo Malagasy dia nasolo olona amin'ny sorona na fomba maro. Ny hena amin'ny omby iray dia voatsinjara araka ny voninahitry ny olona na ny toerany ara-piaraha-monina,na fifandrohina ara- pihavanana. Amin'ny ala volon-jaza dia ny nofo-kena sy ny trafony no hanatontosàna ny fomba, ; amin'ny fandevenana dia samy manana ny zara hena ny tompo-manjo sy ny fianakavian'ny maty, ny vehivavy sy ny lehilahy mpanotrona. Ny renim-bintana 12 dia misy lokon'omby mifanandrify aminy : Adaoro dia loko mainty misy fotsy ny handriny sy ny trafony, antsoina hoe vatoambo...
Mankalaza ny misterin'ny Paka ny Eglizy, araka ny lovam-pampianaran'ny apôstôly efa hatramin'ny andro nitsanganan'i Kristy ho velona mihitsy, isaky ny andro fahavalo, izay tena antsoina marina hoe Andron'ny Tompo, na alahady. Ny andro nitsanganan'i Kristy ho velona dia sady "andro voalohany amin'ny herinandro" no "andro fahavalo"... Katesizy momba ny fampandrosoana ny Litorjia any amin'ny Diôsezy, iarahana amin'i P. Raphaël Eugène Ralison.
….-Hankalaza ny andro iraisam-pirenena hiadiana amin’ny kolikoly isika etoMadagasikara rahampitso Talata 09 Desambra. Efa an-taonany maro isika no nanamarika izany. Fotoana hanamafisana ny fahavononan’ireo fitondram-panjakana nifandimby hiady amin’ity kolikoly ity. Raha ny hita aloha, dia sarotra ny ady amin’izy ity, indrindra hoan’ny firenena mahantrasy andalam-pandrosoana toa an’i Madagasikara, satria efa niorim-paka ela ilay toe-tsaina mpanao kolikoly, tsy teto Madagasikara ihany fa saika maneran-tany mihintsy. Azo lazaina fa efa tany amin’ny fahagolan-tany mihitsy no efa nisy ity kolikoly ity. Sarotra hoy ny arofanina no hiady aminy satria efa manenika ny sehatra samihafa : toy ny fananan-tany, ny fitandroana ny filaminana, ny fitsarana, ny fanabeazam-pirenena, ny fahasalamana sy ny maro hafa....
Isan'ny didy mahavery ny olona any amin'ny afobe fandikàna ny didy faha-7 "Aza mangalatra, aza maniry fananan'olona" izany hoe ny maka na ny mitana na ny manimba tsy ara-drariny ny zavatr'olona. Antony izany dia noho ny tsy fahavitan'ny fanonerana ny fahotana. Fahotana mahafaty ny mangalatra sy ny manao izany an-tsitrapo. Tsara kokoa ny miala amin'ny fikasana hangalatra satria ny fanirina ihany koa dia efa heloka... Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco